2022
Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana
Mey 2022


“Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho misiônera

Hisintona ny endrika PDF

Rehefa nanao jery todika ny fiainako aho dia lasa afaka nahita ireo traikefa sasany izay nanova zavatra tokoa. Iray amin’ireo traikefa ireo ny fomba nahafahan’ny fanaovana asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Angletera fony aho tanora nanova ny fiainako sy niantraika tamin’izay hiafarako teo amin’ny ara-panahy. …

Nanomana ahy ho tonga vady sy raim-pianakaviana, ary ho mpandraharaha mahomby ny nanompoako nanao misiônera. Nanampy ahy koa izany ho amin’ny fanompoana mandritra ny androm-piainana ho an’ny Tompo ato amin’ny Fiangonany. …

Mahafantatra anao ny Tompo. Mandritra ny fotoana hanompoanao amin’ny asa fitoriana dia hiaina zavatra maro ianao izay hanampy anao hahafantatra Azy tsara kokoa. …

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy no anaovako antso avo aminareo ry zatovolahy isany, ary koa ireo zatovovavy izay maniry hanao asa fitoriana, ny hanombohanareo miresaka dieny izao ankehitriny izao amin’ny ray aman-dreninareo mikasika ny hanaovana asa fitoriana. Manasa anareo ihany koa aho hiresaka amin’ireo namanareo mikasika ny hanaovana asa fitoriana, ka raha misy namanareo iray misalasala hanompo dia amporisiho izy hiresaka amin’ny evekany.

Manolora tena amin’ny tenanareo sy amin’ny Ray any An-danitra fa hanompo hanao asa fitoriana ianareo ka manomboka hatreo dia hiezaka hitandrina ny fonareo sy ny tananareo ary ny sainareo ho madio sy mendrika ianareo. Manasa anareo aho hikatsaka fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. …

Mivavaka aho mba hahitanareo sy hahafantaranareo zatovolahy sy zatovovavy ary ny ray aman-dreninareo ny fomba hampiova mandrakizay ny fiainanareo noho ny fanaovana asa fitoriana.

Hamoaka printy