2022
Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra
Mey 2022


“Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! mey 2022

Fivoriana alahady maraina

Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho tanan’olona eo am-pivavahana

Hisintona ny endrika PDF

Isika dia tsy tokony hieritreritra ny drafitr’ Andriamanitra ho toy ny milim-pivarotana ana habakabaka izay hanindrintsika hoe (1) safidio ny fitahiana tianao, (2) ampidiro ny habetsahan’ny asa tsara vita, ary dia (3) voatitra avy hatrany ny zavatra nafarana. …

Manan-danja ny fibebahantsika sy ny fankatoavanatsika, sy ireo asa fanompoana ataontsika, ary ireo fahafoizan-tenantsika. Tiantsika ny mba ho isan’ireo voalazan’i Etera hoe “hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara.”[Etera 12:4]. Saingy ny hoe mahefa be amin’ny asa tsara dia tsy hoe noho ny fisiana tarehimarika voarakitra ao anatin’ny boky firaketana tantara any an-danitra. Manan-danja ireny zavatra ireny satria mampandray anjara antsika amin’ny asan’ Andriamanitra ary fomba ahafahantsika miara-miasa Aminy amin’ny fanovana ny olon’ny nofo ao amintsika ho lasa olomasina. Ny zavatra omen’ny Ray any An-danitra antsika dia ny Tenany sy ny Zanakalahiny, fifandraisana akaiky sy maharitra Amin’Izy Ireo amin’ny alalan’ny fahasoavana sy fanalalanan’i Jesoa Kristy, Mpanavotra antsika.

… Ny Ray any An-danitra dia vonona ny hitarika antsika tsirairay avy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana omban’ireo dingana natao ho an’ny filantsika tsirairay ary norafetina hifanaraka amin’ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika miaraka Aminy amin’ny farany. …

Na izany aza dia tsy mora ho an’iza na iza amintsika io lalana io. Maro loatra ireo fanefena ilaina ka tsy ho mora izany. …

Koa eo anivon’io afon’ny mpandrendrika io, dia aleo manatona an’ Andriamanitra toy izay mitezitra amin’ Andriamanitra. Miantsoa ny Ray amin’ny anaran’ny Zanaka. Miaraha-mamindra amin’ Izy Ireo ao amin’ny Fanahy, isan’andro. Avelao Izy Ireo haneho ny fahatokian’ Izy Ireo aminao rehefa mandeha ny fotoana. Ataovy izay hahafantarana Azy Ireo sy ny tenanao marina tokoa. Aoka Andriamanitra no hanjaka.

Hamoaka printy