2022
Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Mey 2022


Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrin’ny ivontoeran’ny fihaonambe

Hisintona ny endrika PDF

Tamin’izaho 26 taona, taorian’ny nahazoako ilay fanasana hoe “andeha hizaha” [Jaona 1:46] no nandehanako voalohany indrindra tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Vao avy nisaraka tamin’ny vadiko voalohany aho. Nanan-janaka lahikely telo taona aho. Nahatsapa aho hoe tsy nanana hery sady natahotra. Rehefa niditra tao amin’ilay trano aho, dia tsara ny fahatsapana nananako rehefa nahita ny finoana sy ny fifalian’ireo olona nanodidina ahy. …

Ry mpianatr’i Kristy namako, aoka isika tsy hanamaivana ny asa mahagaga izay ataon’ny Tompo amin’ny alalantsika Fiangonany na dia eo aza ireo fahalementsika. Indraindray isika mpanome ary indraindray isika mpandray, fa dia fianakaviana iray ihany isika rehetra ao amin’i Kristy. …

… Ny Fiangonana dia mihoatra noho ny trano sy ny rafitra ara-pivavahana, ny Fiangonana dia isika mpikambana. Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ka i Kristy no lohany ary ny mpaminany no mpitondra teniny. …

Ny tanjontsika ao amin’ny fanjakany dia tokony hoe ny hitondra antsika samy isika hankeo amin’i Kristy. …

Hatrany amin’ilay zazalaky kely mandoa fahafolonkarena am-pinoana mankany amin’ilay reny tokantena mila ny fahasoavana mankaherin’ny Tompo ka hatrany amin’ilay raim-pianakaviana mitolona mba hamelomana ny fianakaviany mankany amin’ireo razambentsika mila ireo ôrdônansin’ny famonjena sy fisandratana ary hatramin’ny tsirairay avy amintsika izay manavao ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isan-kerinandro, isika dia mila antsika samy isika ary afaka mitondra antsika samy isika hankany amin’ny fanasitranana manavotry ny Mpamonjy.

Hamoaka printy