2022
Ny avy ao am-pontsika manontolo
Mey 2022


“Ny avy ao am-pontsika manontolo,” Ho zatovo mahery!, mey 2022.

Fivoriana alahady tolakandro

Ny avy ao am-pontsika manontolo

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho an’ireo farantsa roan’ilay mpitondratena

Hisintona ny endrika PDF

Tsy iray amin’ireo zavatra maro ataontsika fotsiny akory ny maha-mpianatra an’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy no hery manosika ao ambadiky ny zavatra rehetra ataontsika. …

Ary ahoana ny amin’ireo adidy sy andraikitra izay tena manototra ny fiainantsika? …

“Fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa mila ireo zavatra rehetra ireo ianareo.

“Nefa katsahonareo aloha ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ireo.”[3 Nefia 13:32–33; jereo koa ny Matio 6:32–33].

Tsy midika hoe mora akory izany. Mitaky fahafoizan-tenasy fanokananaizany.

Mitaky ny hampitsaharana ireo zavatra sasantsasany izany ary ny famelana ireo zavatra hafa hivelatra.

… Ny atao hoe mahafoy dia ny fanajanonana zavatra iray ho tombontsoan’ny zavatra manan-danja iray kokoa. …

Ny fanokanana dia tsy mitovy amin’ny fahafoizan-tena na ny fanaovana sorona farafahakeliny amin’ny lafiny iray manan-danja. Rehefa manokana zavatra iray isika dia tsy avelantsika ho levona eo ambonin’ny alitara izany. Fa ampiasaintsika mba hanompoana ny Tompo kosa izany. Manokana izany ho Azy sy ho an’ireo tanjony masina isika. …

Rehefa mijery ny fiainantsika isika ary mahita zavatra an-jatony izay tokony hatao dia sahiran-tsaina isika. Rehefa mahita ity zavatra iray ity isika dia ny hoe, mitia sy manompo an’ Andriamanitra sy ny zanany amin’ny fomba maro samihafa dia afaka mifantoka amin’ireo zavatra ireo amim-pifaliana.

Toy izao no fomba fanolorantsika ny fanahintsika manontolo: amin’ny alalan’ny famoizana izay zavatra mihazona antsika sy ny fanokanana ny ambiny ho an’ny Tompo sy ny tanjony.

Hamoaka printy