2022
Lesona teo amin’ilay fantsakana
Mey 2022


“Lesona teo amin’ilay fantsakana,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriamben’ny vehivavy

Lesona teo amin’ilay fantsakana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho lalana amoron-drano

Hisintona ny endrika PDF

Te hizara lesona telo aminareo aho izay ianarako eo am-panohizako ny hisotro amin’ny “rano velon’[ny Mpamonjy]” [Jaona 4:10] eo amin’ny fantsakany.

Voalohany: Tsy mamaritra ny hoavintsika ireo zava-mitranga tamin’ny lasantsika sy amin’izao fotoana izao …

Eritrereto ilay vehivavy teo am-pantsakana. …

Lasa vavolombelona mahery izy, ary nanambara tamin’ireo olona teo an-tanànany fa i Jesoa no Kristy. “Ary maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino Azy noho ny filazan-dravehivavy.” [Jaona 4:39].

Tsy namaritra ny hoaviny ny zava-nitranga tamin’ny lasany sy amin’izao fotoana izao. Tahaka azy dia afaka misafidy ny hitodika amin’ny Mpamonjy isika androany ahazoana hery sy fanasitranana, ahafahantsika manatanteraka ny zavatra rehetra izay nanirahana antsika ho atao ety.

Faharoa: Ao amintsika ny hery [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:28] …

Ry rahavavy isany, ao amintsika ny hery mba hahatonga fahamarinana fatratra! …

Fahatelo: “Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33] …

Ry rahavavy, fo maro no hiova ary fiainana maro no ho voatahy rehefa manome sira indray mitsongo isika, sy lalovay eran’ny sotro ary tara-pahazavana iray.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy no fanasina eo amin’ny fiainantsika, izay manasa antsika hanandrana amin’ny fifaliany sy ny fitiavany. Ary Izy no ilay lalovay na masirasira rehefa sarotra ny fiainantsika, ilay mitondra ho antsika fanantenana sy manamaivana ireo enta-mavesatsika amin’ny alalan’ny heriny tsy manan-tsahala sy ny fitiavany manavotra. Izy no fahazavantsika, manazava ny lalantsika miverina mody.

Hamoaka printy