2022
Ataovy izay manan-danja indrindra
Mey 2022


“Ataovy izay manan-danja indrindra,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriamben’ny vehivavy

Ataovy izay manan-danja indrindra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho kilalao miendrika faribolana fikendry amina zana-tsipika

Hisintona ny endrika PDF

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe manantena na mino fotsiny. Mitaky ezaka sy hetsika ary fanoloran-tena izany. Mitaky ny hanaovantsika zavatra izany. …

Rehefa miezaka isika ny manao zavatra na inona na inona izany dia mety hanontany tena isika hoe, “Inona no manan-danja indrindra?” …

  • Ny isan’ny “j’aime” azontsika amin’ireo zavatra aelintsika amin’ny tamba-jotran-tserasera ve? Sa ny haben’ny fitiavana sy ny lanja omen’ny Raintsika any An-danitra antsika?

  • Ny manao ny akanjo lamaody nivoaka farany indrindra ve? Sa ny maneho fanajana ny vatantsika amin’ny fitafy maotina?

  • Ny itady valiny amin’ny alalan’ny fikarohana amin’ny internet ve? Sa ny mandray valiny avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Ny mitady izay tsy ananana ve? Sa ny mifaly amin’izay efa nomena antsika? …

… Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fanaovan-javatra sy filazantsaran’ny fifaliana! Aoka tsy hotsinontsinoavintsika ny fahaizantsika manao ireo zavatra ireo. Ny lovantsika avy amin’ Andriamanitra dia manome fankaherezana sy fatokiana antsika hanao sy ho lasa izay rehetra fantatry ny Ray any An-danitra fa vitantsika. …

… Tsy resaka fanaovana zavatra misimisy kokoa izany. Fa fanaovana izay manan-danja. Izany dia ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika eo am-piezahantsika ny ho tonga tahaka Azy kokoa. …

Handray fitarihana isika amin’ny fanaovana ireo zava-manan-danja raha mandray an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika. Ary handray fitahiana amin’ny alalan’ny tanjaka ara-panahy sy fahafaham-po ary fifaliana isika.

Hamoaka printy