2022
Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!
Mey 2022


“Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina ahitana lanitra feno kintana

Hisintona ny endrika PDF

Raha jerena ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao dia tsy hifanomezan-tsiny raha toa ka somary mihena ny fikatsahan’ny tanora ny tonga lafatra. …

Ny fiangaviana ataoko anio amin’ireo zatovo, sy aminareo ray aman-dreny ary olon-dehibe izay manoro hevitra azy ireo dia ny hanombohanareo ny fikatsahanareo ny fahasambarana amin’ny alalan’ny fanekena ireo zava-tsoa efa noraisintsika avy amin’ilay mpanome ny fanomezana tsara rehetra. Amin’ilay fotoana mazava izay hametrahan’ny olona maro fanontaniana lalina momba ny toetran’ny zavatra ara-panahy, dia tokony hamaly amin’ny alalan’ilay “vaovao mahafalin’” ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro Farany, izay manome toerana manan-danja hatrany ny iraka nampanaoviana ny Mpamonjy an’izao tontolo izao sy ny hafany dia manolotra ny fomba manan-danja indrindra mandrakizay hitadiavana izay tsara sy hanaovana ny tsara amin’ny fotoana tena ilana azy toy izany. …

Ho anareo zatovo eto anivontsika izay sahirana, na inona na inona ireo olana na fahasarotana atrehanareo dia miharihary fa tsy vahaolana ny famonoan-tena. Tsy hanamaivana ny fanaintainana izay tsapanao na eritreretinao fa mety efa aterakao izany. Ao anatina tontolo izay mila mafy ny fahazavana rehetra azo katsahina, dia aoka ianareo tsy hanamaivana ilay fahazavana mandrakizay izay napetrak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanahinareo talohan’ny nisian’izao tontolo izao. Miresaha amin’ny olona iray. Mangataha fanampiana. Aza simbana ilay fiainana izay nanomezan’i Kristy ny Azy hiarovana izany. Azonao zakaina ireo fahadisoam-panantenana eto amin’ity fiainana an-tany ity satria hanampy anao hizaka izany izahay. Matanjaka kokoa noho izay eritreretanao azy ianao. Misy fanampiana azo andrandraina avy amin’ny hafa ary indrindra fa avy amin’ Andriamanitra. Tiana sy omena lanja ary ilaina ianao. Mila anao izahay! “Aza matahotra; minoa fotsiny ihany.” …

 … Zavatra betsaka tokoa no azontsika hifaliana. Afaka mifanampy isika, ary manana Azy. Aza sakanana ny fahafahanay hanana anao.

Hamoaka printy