2022
Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray
Mey 2022


“Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady tolakandro

Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho tendrombohitra manakatra ny rahona

Hisintona ny endrika PDF

Ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny dia manana fahatakarana miavaka isika momba ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Izany dia manome antsika fomba fijery hafa mikasika ny tanjon’ny fiainana eto an-tany, ilay fitsaran’ Andriamanitra aorian’izany sy ny anjara feno voninahitra an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra amin’ny farany. …

 … Ny fotopampianarana nambara ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra fa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra—izay voafetra loatra ireo tranga maningana ka tsy azo heverina—dia hiafara ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray. …

… Ny ambony indrindra amin’ireo dia fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy izay hahafahantsika ho lasa tahaka ny Raintsika sy i Jesoa Kristy Zanany. …

Ny iraka tontosain’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo ny zavatra irin’ Andriamanitra mba ho tanjona hiafaran’izy ireo. …

Zava-dehibe ho antsika ny fanambaran’ Andriamanitra fa ny fisandratana dia tsy afaka ny ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fahatokiana tamin’ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ihany. “Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org]. …

 … Isika dia manamarina fa ny fanambarana momba ny fianakaviana, izay mifototra amin’ny fotopampianarana tsy azo ovaina, dia manoritsoritra ilay karazana fifandraisana ao amin’ny fianakaviana izay itrangan’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoarantsika mandrakizay. …

… Tsy maintsy mikatsaka ny hizara ireo fahamarinan’ny mandrakizay ireo amin’ny hafa isika. Kanefa noho ny fitiavantsika ireo mpiara-monina amintsika dia manaiky ny fanapahan-kevitr’izy ireo foana isika. Araka ny nampianarin’ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy maintsy mibosesika mandroso isika, ka manana “fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” [2 Nefia 31:20].

Hamoaka printy