2022
Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy
Mey 2022


“Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady maraina

Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho an’i Jesoa Kristy niseho tamin’i Maria Magdalena

Hisintona ny endrika PDF

Foto-kevitra mahery vaika ny hoe fahavitrihana

Anio aho dia te hanolotra zavatra dimy manokana azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika hihazona fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara.

Voalohany: Mandehana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mijanòna eo.

… Ny lalan’ny fanekempihavanana no hany lalana mitondra any amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay.

Iaino ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro.

… Ny fibebahana no fanalahidin’ny fanalahidin’ny fivoarana. Ny finoana madio dia mampandroso antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Aza atahorana na ahemotra azafady ny fibebahana. …

Ny sosokevitro fahatelo dia hoe: Mianara momba an’ Andriamanitra sy ny fomba fiasany.

… Mazava ny fanefitra amin’ny tetidratsin’i Satana: Mila miaina isan’andro ny fitsaohana ny Tompo sy ny fandalinana ny filazantsarany isika. …

Sosokevitra faha-4: Mikatsaha ary manantenà fahagagana.

… Vitsy ny zavatra hanafaingana ny fahavitrihanao ara-panahy mihoatra noho ny fahitana fa manampy anao hamindra tendrombohitra eo amin’ny fiainanao ny Tompo.

Sosokevitra faha-5: Atsaharo ny fifandirana eo amin’ny fiainanao manokana.

… Ampiharo ny fanetrentena sy ny herim-po ary ny tanjaka ilaina hamelana heloka sy hikatsahana famelan-keloka. …

… Raha toa tsy ho vita ny hamela heloka amin’izao fotoana izao dia mangataha hery amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy anao. Raha manao izany ianareo dia mampanantena fiadanana manokana sy fitomboan’ny fahavitrihana ara-panahy aho. …

Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo tanjona ireo ianareo dia mampanantena anareo aho fa ho afaka mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianareo miaraka amin’ny fahavitrihana tsy mitsaha-mitombo, na inona na inona sakana atrehanareo. Ary mampanantena aho fa ianareo dia hahazo hery bebe kokoa hanoherana ny fakam-panahy, fiadanan-tsaina bebe kokoa sy fahafahana amin’ny tahotra, ary firaisan-kina bebe kokoa ao amin’ny fianakavianareo.

Hamoaka printy