2022
Inona no marina?—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


Inona no marina?

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Nelson

Hisintona ny endrika PDF

Hatramin’ny fihaonambentsika tamin’ny aprily lasa teo dia nanatri-maso tranga maro teto amin’izao tontolo izao aho, manomboka amin’ny mahavaky fo ka hatramin’ny mahafinaritra indrindra.

Feno hafaliana isika amin’ireo tatitra momba ireo fihaonamben’ny zatovo maro natao manerana izao tontolo izao. …

Faly isika fa miampy ireo tempoly aorina manerana an’izao tontolo izao. …

Ny herisetra dia fitaomana avy amin’ny fahavalo. Fahotana goavana izany. …

Manana paika hafa manakorontana ny fahavalo. Anisan’izy ireny ireo ezaka ataony hampanjavozavo ny tsipika eo anelanelan’izay marina sy izay tsy marina. Mampihomehy ihany fa ny tondra-dranom-pahalalana azontsika eo amin’ny ratsantanantsika no mahatonga ny famantarana izay marina ho mihasarotra. …

… Tian’ny sasany isika mba hino fa ny fahamarinana dia arakaraka ny olona—fa ny olona tsirairay dia tokony hamaritra ho an’ny tenany izay marina. Ny finoana toy izany dia fieritreretana fotsiny ho an’ireo izay diso hevitra fa tsy ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra ihany koa izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky ny fahamarinana rehetra izay ampitain’ Andriamanitra amin’ireo zanany, na nianarany tao amin’ny laboratoara siantifika izany na azo tamin’ny fanambarana mivantana avy Aminy.

Hanohy handre fahamarinana avy eto amin’ity polipitra ity ianareo anio sy rahampitso. Miangavy aho ny mba handraisanareo an-tsoratra ireo eritreritra misarika ny sainareo ary ireo izay tonga ao an-tsainareo sy mijanona ao am-ponareo. Angataho am-bavaka ny Tompo mba hanamafy fa marina izay zavatra norenesinareo.

Hamoaka printy