2022
Nahantona teo amin’ny hazofijaliana—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Nahantona teo amin’ny hazofijaliana—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Nahantona teo amin’ny hazofijaliana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Holland

Hisintona ny endrika PDF

Ny antony iray tsy hanantitranterantsika ny hazofijaliana ho zavatra atao mari-pamantarana dia misandrahaka avy amin’ny faka iorenantsika avy amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Satria ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana no endriky ny famonoana olona faran’izay nampahory indrindra tamin’ny fanjakana nentin’ny amperora Rômana, dia mpanara-dia an’i Jesoa maro no nisafidy ny tsy hampisongadina izany fitaovana fampijaliana feno herisetra izany. Azo antoka fa ny hevitra fonosin’ny fahafatesan’i Kristy no ampahan-javatra manan-danja indrindra amin’ny finoan’izy ireo, saingy nandritra ny 300 taona teo ho eo dia nikatsaka ny hampita ny maha izy azy ny filazantsara tamin’ny fomba hafa izy ireo. …

Antony iray hafa tsy ampiasana ny hazofijaliana ho tandindona ny fanantitranterantsika ny maha fahagagana feno ny asa nanirahana an’i Kristy, ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra sy ny nanaovany sorona hijaly sy ho faty. …

… Hoy Izy amintsika rehetra any amin’ny firenena rehetra sy ny sokajin-taona rehetra hoe: “Raha misy [lehilahy na vehivavy] ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy” [Matio 16:24].

Izany dia miresaka mikasika ireo enta-mavesatra zakaintsika fa tsy hazofijaliana ara-bakiteny entintsika amin’ny tanana. Mba ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mitondra enta-mavesatra ny olona indraindray, ny anao manokana na ny an’ny hafa, ary mizotra mankany amin’ny zavatra itakina fahafoizan-tena sy ny fijaliana tsy hay sakanana. Ny tena Kristianina dia tsy afaka misafidy ny hanara-dia an’i Kristy amin’ireo zavatra izay eken’ny sain’izy ireo fotsiny ihany. Tsia. Manaraka Azy n’aiza n’aiza isika, tafiditra ao anatin’izany, raha ilaina, ny fanarahana Azy ao anatin’ireo toe-javatra izay mampitomany sy feno olana, izay mety hahatsapantsika tena ho miady irery indraindray.

… Enga anie isika mba hanara-dia Azy, amim-pahatokiana tanteraka, tsy hisalasala na handositra velively, tsy hisalasala amin’ny asa asaina atao, tsy hisalasala rehefa mety havesatra ny hazo fijaliantsika ary tsy hisalasala raha sendra ka mihamaizina ny lalana alehantsika.

Hamoaka printy