2022
Anio—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Anio—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022,

Anio

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Rasband

Hisintona ny endrika PDF

Ito hazoniko amin’ny tanako ito dia tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna. Izy ity dia edisiônina fahiny tamin’ny 1970 izay sarobidy amiko. Raha ny endriny dia tonta sy efa ela, saingy tsy misy boky manan-danja hafa amin’ny fiainako sy ny fijoroako ho vavolombelona mihoatra ity. Rehefa namaky izany aho dia nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra, Mpamonjiko Izy, tenin’ Andriamanitra ireto soratra masina ireto, ary naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara. …

“Anio,” isan’ireo misiônera mazoto indrindran’ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Russell M. Nelson. …

 …Efa nanome tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ho an’olona aman-jatony izy, sady nanolotra foana ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. …

Ny mpaminantsika velona dia manao ny anjarany amin’ny fampielezana ny Bokin’i Môrmôna manerana ny tany manontolo. Tsy afaka manao irery ny fampielezana anefa izy. Tsy maintsy manaraka ny ohatra omeny isika. …

 … Manasa anareo aho, anio, mba hanome ny Bokin’i Môrmôna amin’ireo namanao sy ny olona ao amin’ny fianakavianao, ireo mpiara-miasa aminao, ny mpanazatra anao amin’ny baolina kitra, na ilay mpivarotra vokatry ny tany eny an-tsena. Mila ny tenin’ny Tompo izay hita ao amin’io boky io izy ireo. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa nomanina tao Amerika fahiny noho ny tanjona masin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna mba ho tonga ka hanambara ny tenin’ Andriamanitra, hitondra fanahy ho amin’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny “anio.”

Hamoaka printy