2022
Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany

Sombin-dahatsoratra

Sary
J. Anette Dennis
Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Dennis

Hisintona ny endrika PDF

Maro ireo lahateny nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonantsika momba ny fiantrana, ny firaisankina, ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ny fangorahana, ny famelana, ary ny famindram-po. Mino aho fa ny Mpamonjy dia manasa antsika mba hiaina amin’ny fomba ambony sy masina kokoa, dia ilay fombany feno fitiavana izay ahafahan’ny rehetra mahatsapa fa manana anjara toerana sy ilaina tokoa izy ireo.

Nodidiana isika mba hitia ny hafa, fa tsy hitsaratsara azy ireo. Aoka isika hitsahatra amin’ny fitondrana izany enta-mavesatra izany, tsy anjarantsika ny mitondra izany. Ho solon’izay dia azontsika raisina ny ziogan’ny fitiavana sy fangorahan’ny Mpamonjy. …

… Ireo izay nokasihiny dia nahatsapa ny fitiavany ary izany fitiavana izany dia nanasitrana azy ireo sy nanova azy ireo. Ny fitiavany dia nitaona azy ireo hanana faniriana ny hanova ny fiainan’izy ireo. Mitondra fifaliana sy fiadanana ny miaina araka ny fombany ary nanasa ny hafa tamim-katsaram-panahy, sy hatsaram-po sy tamim-pitiavana Izy mba hiaina toy izany koa. …

… Rehefa mianatra tsikelikely manao ireo zavatra izay angatahiny amintsika isika—tsy noho ny andraikitra na noho ireo fitahiana mety ho azontsika fa noho ny fitiavantsika Azy sy ny Ray any An-danitra tsotra izao dia hitosaka amin’ny alalantsika ny fitiavany ary hahatonga ny zavatra rehetra izay asainy ataontsika tsy hoe azo tanterahina fotsiny ihany fa ho mora sy maivana kokoa any aoriana any ary hitondra fifaliana mihoatra izay azontsika eritreretina. …

Ny tsirairay dia mila mahatsapa fa manana ny toerany tokoa izy ireo ary ilaina ao amin’ilay tenan’i Kristy. Ny faniriana lehibe an’i Satana dia ny hampizarazara ireo zanak’ Andriamanitra, ary nahomby tokoa izy, saingy misy hery lehibe ao anatin’ny firaisankina. Tena ilaintsika tokoa ny mifampitantana eto amin’ity fiainana an-tany feno olana ity!

Hamoaka printy