2022
Manampy ny mahantra sy ny ory—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Manampy ny mahantra sy ny ory—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Manampy ny mahantra sy ny ory

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Oaks

Hisintona ny endrika PDF

Ny ankamaroan’ny fifanampiana sy ny asa fanasoavana ho an’ny mpiara-belona amintsika dia ampianarina sy ampiharin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ampianarintsika sy ampiharintsika amin’ny maha mpikambana antsika. Ohatra, mifady hanina isika isaky ny voalohan’ny volana ary manolotra farafahakeliny ny vola vidin’ireo sakafo tsy nohanina mba hanampiana ny sahirana eo anivon’ireo mpiara-miangona ao amintsika. Ny Fiangonana dia mitondra anjara biriky goavana koa ho an’ny asa fanasoavana sy asa fanampiana maro manerana an’izao tontolo izao.

Na dia eo ary ny zavatra ataon’ny Fiangonantsika mivantana, ny ankamaroan’ny asa fanasoavana an’ireo zanak’ Andriamanitra maneran-tany dia sahanin’olona sy fikambanana tsy mifandray amin’ny fomba ôfisialy amin’ny Fiangonantsika. …

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manolo-tena ny hanompo ireo izay sahirana, ary manolo-tena ihany koa ny hiara-hiasa amin’ny hafa ao anatin’izany ezaka atao izany. …

Ny fanambarana maoderina dia mampianatra fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no “fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2]. Noho izany ireo zanak’ Andriamanitra rehetra dia omena fahazavana mba hanompo Azy sy hifanompo araka izay fahaizana tsara indrindra ananany sy araka izay vitany. …

… Maro amintsika no tokony hahafantatra ny tsara ataon’ny hafa sy hanohana izany satria manana ny fotoana sy ny enti-manana hanaovana izany isika. … 

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny zanak’ Andriamanitra rehetra amin’ny hazavany, amin’ny fanampiana ny mahantra sy ny ory manerana izao tontolo izao.

Hamoaka printy