2022
Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Browning

Hisintona ny endrika PDF

Mba hanampiana antsika hijanona tsy hihozongozona ary mitodi-doha any amin’ny lalan-kizorana marina, dia manasa antsika ny Mpamonjy hijery ny fiainantsika amin’ny alalany mba hahitantsika taratra kokoa Azy eo amin’ny fiainantsika. …

Amin’ny maha kristiana avy amin’ny fivavahana hafa ahy taloha dia nifanena tamin’olona maro aho izay nahatsikaritra sy nahita fiovana teo amin’ny fihetsiko sy ny fanaoko ary ny safidiko taorian’ny nidirako ho mpikamban’ny Fiangonana. …

… Amin’ny alalan’ny ezaka mafy ataoko hibanjina sy hitady an’i Jesoa Kristy amin’ny eritreritra sy izay atao rehetra, dia nahiratra ny masoko ary nitombo ny fahatakarako mba hamantatra fa i Jesoa Kristy dia niantso ahy mba “[hankany] Aminy.” …

Fantatro tamin’izay, tahaka ny fahafantarako ankehitriny, fa i Jesoa Kristy Mpamonjy dia mitarika antsika hankany amin’ireo trano fivoriana isan-kerinandro mba handray ny fanasany, sy hankany amin’ny tranon’ny Tompo mba hanao fanekempihavanana Aminy, ary ho any amin’ireo soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminany mba hianatra ny teniny. Mitarika ny vavantsika Izy mba hijoro ho vavolombelona ny Aminy, sy ny tanantsika mba hanampy sy hanompo tahaka ny hanampiany sy hanompoany, ary ny masontsika mba hahita ny tontolo sy isika samy isika tahaka ny fahitany—“araka ny tena toetrany sy … araka ny ho tena toetrany” [Jakôba 4:13]. Ary rehefa avelantsika Izy hitarika antsika amin’ny zavatra rehetra, dia mandray fijoroana ho vavolombelona isika fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra” [Almà30:44] satria izay toerana itadiavantsika Azy dia hahitantsika Azy isan’andro isan’andro.

Hamoaka printy