2022
Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka

Sombin-dahatsoratra

Sary
Kristin M. Yee
Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Yee

Hisintona ny endrika PDF

And I Partook [Dia nandray aho], nataon’i Kristin Yee

Tsy havela hiatrika irery ny vokatry ny zavatra nataon’ny hafa isika; isika koa dia afaka ny hositranina sy hahazo fahafahana hohamaivanina amin’ny vesatry ny fo feno hatezerana sy izay mety ho fihetsika haterak’izany.

… Mitaky antsika hamela ny Tompo mba ho soa ho antsika. Saingy tsy mangataka antsika hanao izany Izy raha tsy miaraka amin’ny fanampiany sy ny fitiavany ary ny fahatakarany. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo, dia samy afaka mandray ny hery mampatanjaka sy ny fitarihana ary ny fanampiana ilaintsika mba hamela sy ho voavela isika. … 

… Hoy Izy: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; [efa naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy] naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina” [Lioka 4:18; nampiana fanamafisana].

Ho an’ireo rehetra izay torotoro ny fony, mpifatotra, nampahorina, ary angamba nojambain’ny fampahoriana na ny fahotana, manolotra fanasitranana sy fanarenana ary fanafahana Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanasitranana sy fanarenana atolony dia tena misy.… 

I Jesoa Kristy no Mesianao manokana, ilay Mpanavotra sy Mpamonjy be fitia, izay mahafantatra ireo fitalahoan’ny fonao. Maniry anao hahazo fanasitranana sy fahasambarana Izy. Tia anao Izy. Mitomany miaraka aminao manoloana ireo alahelonao Izy ary mifaly amin’ny fanasitranana anao. Enga anie isika hitraka hatrany ary handray ny tanany feno fitiavana izay atolony amintsika lalandava, eo am-pandehanantsika eo amin’ny lalan’ny famelana.

Hamoaka printy