2022
Manakaiky ny Mpamonjy—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Manakaiky ny Mpamonjy—Sombin-dahatsoratra” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Manakaiky ny Mpamonjy

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Andersen

Hisintona ny endrika PDF

Tsapatsika fa rehefa mihamitombo ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao, ny fitohizan’ny fiainam-panahintsika sy ny fiainam-panahin’ireo izay akaikin’ny fontsika, dia hitaky ny hikolokoloantsika sy ny hanamafisantsika orina ary ny hampatanjahantsika ny fakan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. …

Fantatsika tsara fa ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy marina sy ny fananana finoana Azy dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe fanapahan-kevitra noraisina indray mandeha ary mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe zava-mitranga indray mandeha. Dingana masina izay mivoatra sy mivelatra ao anatin’ireo vanim-potoana eo amin’ny fiainantsika izany, izay mitohy mandra-pandohalihantsika eo an-tongony.

Eo anatrehan’ny fanirian’ny vary eo anivon’ny tsimparifary eto amin’izao tontolo izao, dia ahoana no ahafahantsika mampitombo sy manamafy orina ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy amin’ny ho avy?

Ireto misy hevitra anankitelo:

Voalohany, afaka mampirotsaka tanteraka ny tenantsika ao anatin’ny fiainan’i Jesoa, ny fampianarany, ny fiandrianany, sy ny heriny ary ny sorona fanavotana nataony isika. …

Manaraka, rehefa mahafantatra sy mitia kokoa ny Mpamonjy isika, dia maniry kokoa aza isika ny hampanantena fa tsy hivadika Aminy ary ho azo atokisana. Manao fanekempihavanana Aminy isika. …

Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia manome fahafahana ny fitiavan’ny Mpamonjy hilentika lalina kokoa ao am-pontsika. …

Farany, ny hevitro fahatelo dia ny hoe: Ao anatin’ity fikatsahana masina atao ity, dia raisintsika ho toy ny sarobidy ary harovantsika amin’ny fontsika iray manontolo ny fanomezana ny Fanahy Masina. …

… Rehefa mamela ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny fitiavany anao hilentika lalina ao am-ponao ianao, dia mampanantena anao aho fa hanana fahatokian-tena sy fiadanana ary fifaliana eo am-piatrehana ireo olan’ny fiainanao.

Hamoaka printy