2022
Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Stevenson

Hisintona ny endrika PDF

Fantatro sy takatro ve hoe inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?

Ny fijoroanao ho vavolombelona dia fananana tena sarobidy, ampifandraisina matetika amin’ny fahatsapana ara-panahy lalina. Ireo fahatsapana ireo mazàna dia ampitaina mangina ary voafariparitra ho “feo malefaka sady tony” [1 Mpanjaka 19:12]. Zavatra inoanao na fahalalanao fahamarinana ilay izy, omena ho toy ny vavolombelona ara-panahy amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. …

Fantatro ve ny fomba hizarako ny fijoroako ho vavolombelona?

Mijoro ho vavolombelona ianao rehefa mizara fahatsapana ara-panahy amin’ny hafa. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana, dia manana fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona am-bava ianao mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana voalahatra na tsy voalahatra, amin’ny fifampiresahana manokana amin’olona ao amin’ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny olon-kafa.

Fomba iray hafa hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona dia ny toetra marina. …

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra. Tsy voafetra ny fahafahana misokatra hanaovana izany ao amin’ny tontolo nomerika amin’ny alalan’ny fampiasana votoatin-javatra manentana ny fanahy avy amintsika ihany na ny fizarana votoatin-javatra mankahery nomanin’ny hafa. …

Inona avy ireo sakana tsy hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Mety ho isan’ny sakana tsy hizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny tsy fahafantarana loatra ny zavatra holazainao. …

Ny sakana iray hafa … dia ny tahotra. …

… Ny fananana finoana … dia hamela anareo handresy ireo fahatsapana ireo. …

Ahoana no ihazonako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Mino aho fa ny fijoroana ho vavolombelona dia ampahan-javatra manan-danja ao amin’ny tenantsika, kanefa mba hihazonana izany sy mba hikolokoloana izany feno kokoa dia nampianatra i Almà fa tsy maintsy fahananareo amin’ny fanolokoloana be ny fijoroana ho vavolombelona anananareo [jereo ny Almà 32:37]. …

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mampanantena anareo aho fa rehefa mahatakatra feno kokoa ny dikan’ny hoe fijoroana ho vavolombelona ianareo, ary rehefa mizara izany, dia handresy ireo sakan’ny fisalasalana sy ny tahotra, ka hamela anareo hikolokolo sy hihazona izany fananana sarobidy indrindra izany, dia ny fijoroana ho vavolombelona anananareo izany.

Hamoaka printy