2022
Amin’ny fo manontolo—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Amin’ny fo manontolo—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Amin’ny fo manontolo

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Graig

Hisintona ny endrika PDF

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mino isika fa afaka mivoatra mifanaraka amina fahamarinana telo manan-danja.

Voalohany, afaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika, na dia tsy mora aza izany indraindray.

Rehefa sedraina ny finoanao na ny fianakavianao na ny hoavinao, rehefa manontany tena ianao hoe nahoana ny fiainana no mafy tokoa nefa ianao manao izay vitanao amin’ny fiainana ny filazantsara, dia tsarovy fa ny Tompo efa nilaza tamintsika fa tokony hanampo olana isika. Tafiditra ao anatin’ilay drafitra ireo olana ary tsy midika izany hoe nafoy ianao; tafiditra amin’ilay antsoina hoe maha mpianany izy ireny. …

Ny fiainana mitsotsotra dia tsy mitondra hery. Ny hery ilaintsika hahazakana ireo fitsapana amin’izao androntsika izao dia ny herin’ny Tompo ary ny heriny dia mirotsaka avy amin’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy. …

Faharoa, afaka manao zavatra am-pinoana isika.

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia takatsika fa mitaky asa ny finoana Azy, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra. …

Fahatelo, azontsika atao amin’ny fo manontolo sy am-pifaliana ny fanoloran-tena ataontsika

 … Tena tsy tokony hieritreritra mihitsy aho hoe ny fitsapana mahazo ahy ankehitriny dia lasa hampanontany tena mahakasika ny fitiavan’ Andriamanitra ahy, na koa hamela izany hamadika ny finoako Azy ho lasa ahiahy. …

Ary mandrapahatonga ny andro ahasitrana ireo ratra isan’andro eo amin’ny fiainana an-tany dia hiandry ny Tompo aho ary hatoky Azy—ny fotoany sy ny fahendreny ary ny drafiny.

Miray hina aminareo aho, te hiara-hijoro Aminy mandrakizay. Amin’ny fo manontolo. Mahalala fa rehefa tia an’i Jesoa Kristy amin’ny fontsika manontolo isika dia homeny ny zavatra rehetra ho valin’izany.

Hamoaka printy