2022
Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Ballard

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana isika dia misy ny fanantenana. Misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy Tompo. Misy fanantenana ho an’ny rehetra eto amin’ity fiainana ity. Misy ny fanantenana handresy ny fahadisoantsika, ny alahelontsika, ny olantsika sy ireo fitsapana ary ny fahasahiranantsika. Misy ny fanantenana ao anatin’ny fibebahana sy ny maha voavela heloka ary ny famelana ny hafa. Mijoro ho vavolombelona aho fa misy fanantenana sy fiadanana ao amin’i Kristy. Afaka mivimbina antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra Izy ankehitriny. Nataony tamin’ireo mpamaky lay tany am-boalohany izany, ary ataony amintsika tsirairay avy ankehitriny koa. …

Rehefa mieritreritra ireo mpamaky lay izay nanomana ny lalana ho an’ny hafa aho dia ny Mpaminany Joseph Smith no noeritreretiko voalohany. …

Ny misiônerantsika amin’izao fotoana izao dia mpamaky lay amin’ny andro maoderina satria mizara izany hafatra be voninahitra [momba ny Famerenana amin’ny laoniny] izany amin’ny olona manerana an’izao tontolo izao izy ireo, ka manokatra ny lalana ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra hahafantatra Azy sy i Jesoa Kristy Zanany. …

Mpamaky lay tato amin’ny Fiangonana ny Filoha Nelson hatrizay. …

Mampianatra antsika ny fomba hizakan-tena bebe kokoa ara-panahy izy. …

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no mpamaky lay voalohany indrindra nanomanana ny lalana. Izy tokoa no “lalana” [Jaona 14:6] hahatanterahan’ny drafitry ny famonjena mba hahafahantsika mibebaka sy miverina any amin’ny Raintsika Any an-danitra amin’ny alalan’ny finoana Azy. …

Enga anie isika hanaraka hatrany ny dian’i Jesoa Kristy, omban’ny finoana isaky ny dingana ataontsika, ka hifantoka Aminy, sady hihazona ny tongotsika hifikitra mafy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Hamoaka printy