2022
Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana—Sombin-dahatsorata
Nôvambra 2022


Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Nelson

He Leadeth Me [Mitarika ahy Izy], nataon’i Yongsung Kim

Hisintona ny endrika PDF

Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao? Izany dia midika fa mandresy ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny an’ Andriamanitra. Izany dia midika ho fatokisana ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona. … Izany dia midika hoe misafidy ny tsy hanao izay rehetra mandroaka ny Fanahy. …

Ahoana ary izany no handresentsika izao tontolo izao? … Isaky ny mikatsaka sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy ianao, ary isaky ny manao zavatra tsara—zavatra izay tsy hataon’ny “olona araka ny nofo” dia mandresy izao tontolo izao ianao. …

Ahoana no itahian’ny fandresena an’izao tontolo izao ny fiainantsika? Mazava ny valiny: Ny fidirana amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana dia mamatotra antsika Aminy amin’ny fomba izay mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa. Aza raisina amin’ny fomba diso ny teniko: Tsy nilaza akory aho hoe ny fanaovana fanekempihavanana dia manamora ny fiainana. Raha ny marina dia hisy ny fanoherana, satria tsy tian’ny fahavalo hahita ny herin’i Jesoa Kristy ianareo. Fa ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra ianareo. …

Miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. …

… Rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao ianao, dia mampanantena fiadanana bebe kokoa, fahatokiana bebe kokoa, fifaliana bebe kokoa, ary eny, fitsaharana bebe kokoa ho anao aho.

Hamoaka printy