2022
Tafio ny herinao, ry Ziona ô—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Tafio ny herinao, ry Ziona ô—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Tafio ny herinao, ry Ziona ô

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Bednar

Hisintona ny endrika PDF

Mivavaka mafy aho mba hanazava antsika tsirairay ny Fanahy Masina raha hiara-handinika ny maha zava-dehibe an’ilay fanoharana mikasika ny lanonana fampakaram-bady nataon’ny mpanjaka isika. …

Rehefa niditra tao amin’ny efitra misy ny fampakaram-bady ny mpanjaka, dia nanara-maso an’ireo mpanatrika ka nahatsikaritra avy hatrany fa tsy nanao ny akanjon’ny fampakaram-bady ny olona iray nasaina izay niavaka. Nentina nandroso ilay lehilahy dia nanontany ny mpanjaka hoe: “Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia sina izy” [Matio 22:12]. …

… Ny fandavan’ilay lehilahy tsy hitafy ny akanjon’ny fampakaram-bady dia maneho tsy fanajana miharihary an’ilay mpanjaka sy ny zanany lahy. Tsy hoe tsy nanana fitafy entina amin’ny fampakaram-bady fotsiny izy fa mbola nisafidy ny tsy hanao koa. … Haingana sy hentitra ny fihetsiky ny mpanjaka: “Afatory ny tongony aman-tanany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” [Matio 22:13].

… Nampibaribary ny fikomiana tao anatiny hanohitra ny mpanjaka sy ireo torolalany ny tsy fanaovany fitafy sahaza.

Avy eo ilay fanoharana dia mifarana amin’ity soratra masina mampieritreritra ity: “Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.” [Matio 22:14].

… Andriamanitra dia tsy manana lisitry ny olona tiana indrindra izay tsy maintsy antenaintsika hampidirana ny anarantsika indray andro any. Tsy mametra “ny voafidy” ho olom-bitsy Izy. Saingy, ny fontsika, ny faniriantsika, ny fanajantsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny filazantsara, ny fakatoavantsika ireo didy ary indrindra indrindra ny fahasoavana sy ny famindrampo manavotry ny Mpamonjy kosa no mamaritra raha toa voaisa ho isan’ireo voafidin’ Andriamanitra isika. …

Raha toa isika mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanana maso mba hahita sy sofina mba handre, dia mampanantena aho fa homena ny fahafahana sy ny fahaiza-manavaka mba hampahatanjaka ny fanekempihavanana mampifandray antsika amin’ny Tompo isika. Handray ihany koa ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika ary sady ho voantso no ho voafidy ho amin’ny fanasana ataon’ny Tompo amin’ny farany.

Hamoaka printy