2022
Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany

Orogoay

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Cook

Hisintona ny endrika PDF

Ny iray amin’ireo ohatra tena manaitra indrindra ao amin’ny soratra masina maneho ny [ahiahy] momba ny fikatsahana fijoroana ho vavolombelona momba ny asan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia voasoritra tao amin’ny fananaran’i Almà an’ireo zanany telo lahy, dia i Helamàna sy i Siblôna ary i Kôriantôna izany. …

Ny ahiahin’i Almà voalohany … dia ny hananan’ny zanany tsirairay fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny mba ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany.

… I Siblôna dia olo-marina toa an’i Helamàna rahalahiny. Ny fananarana tiako horesahina dia ny Almà 38:12, izay mivaky toy izao amin’ny ampahany: “Ataovy … izay hifehezanao ny filanao rehetra mba hahatonga anao ho feno fitiavana.”

… Tsy ny vatana no ratsy, tsara tarehy sy tena ilaina izany, fa ny filana sasany, raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy sy raha tsy voafehy araka ny tokony ho izy, dia afaka mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra sy ny asany ary hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. …

Ankoatra ny fifehezana ny fahatezerana sy ny fifehezana ireo filana hafa, dia mila manana fiainana madio ara-pitondrantena isika amin’ny alalan’ny fifehezana ny eritreritsika sy ny fitenintsika ary ny zavatra ataontsika. …

Satria nirotsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena i Kôriantôna dia nilain’i Almà ny nampianatra azy momba ny fibebahana. …

Noho izany, ny fananarana mba ho fitandremana izay nomen’i Almà dia ny hifehezana ny filan’ny nofo, fa ho an’ireo izay nandika lalàna kosa dia ny hibebahana. …

Tsy misy afaka miverina any amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ataon’ny tenany irery fotsiny; mila ilay tombontsoa avy amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy isika rehetra. Efa nanota ny rehetra, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika mahazo famindram-po sy miaina miaraka amin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy