2022
Miara-miasa amin’ny Tompo—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Miara-miasa amin’ny Tompo—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Miara-miasa amin’ny Tompo

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Soares

Hisintona ny endrika PDF

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mitory ny fitsipiky ny fiaraha-miasa feno eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray, eto amin’ny fiainana an-tany sy any amin’ny mandrakizay. Na dia samy manana toetra sy andraikitra manokana aza ny tsirairay amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy mitana anjara asa mitovy lenta manan-danja sy ilaina ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra ho an’ireo zanany izy ireo. …

 … Araka ny fotopampianaran’ny filazantsara dia tsy manafoana ireo fampanantenana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ny fahasamihafana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy. Tsy hoe manana anjara betsaka kokoa amin’ny voninahitra selestialy noho ilay iray hafa ny anankiray. Ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nanasa antsika rehetra zanak’ Andriamanitra, mba “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” [2 Nefia 26:33]. Noho izany, ao anatin’izany sahan-kevitra izany, dia mitovy avokoa ny fandraisany antsika rehetra.

Rehefa mahatakatra sy mampiditra izany eo amin’ny fiainany ny mpivady dia tsy maka ny toerana hoe filoha na filoha lefitra ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Tsy misy hoe ambony na ambany ao amin’ny fifandraisan’ny mpivady, ary tsy misy hoe eo aloha na any aorian’ilay anankiray hafa. Miara-dalana izy ireo, mitovy lenta, zanaka masin’ Andriamanitra. Lasa iray eritreritra, faniriana, ary tanjona miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo, miara-mitondra sy mitarika ny rafitry ny fianakaviana.

Hamoaka printy