2022
Lovam-pankaherezana—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Lovam-pankaherezana—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Lovam-pankaherezana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Eyring

Hisintona ny endrika PDF

Araka izay nolazain-dreniko tamiko rehefa nitaraina aho fa sarotra be ny zavatra iray hoe: “Hal a! Marina tokoa fa sarotra ilay izy. Natao ho sarotra ilay izy. Fisedrana ny fiainana.”

Afaka nilaza izany tamim-pahatoniana izy, ary tamim-pitsikiana koa aza, satria nahafantatra zavatra roa izy. Na inona na inona ilay ady atao, dia ny ho tafaverina any an-danitra hiara-hiaina amin’ny Rainy any An-danitra no manan-danja indrindra. Ary fantany fa afaka mahavita izany amin’ny alalan’ny finoana ilay Mpamonjiny izy. …

Ny lovam-pankaherezana navelany ho anay dia voafaritra amin’ny fomba tsara indrindra ao amin’ny Môrônia 7 izay nankaherezan’i Môrmôna an’i Môrônia zanany sy ny vahoakany. …

Ataony lohalaharana i Jesoa Kristy, tahaka ny ataon’ireo rehetra izay nahomby tamin’ny fanomezana fankaherezana ireo izay miady mafy miakatra ny lalana miverina mankany amin’ny fonenany any an-danitra. …

Hitan’i Mormôna fa ny halemem-panahy no porofon’ny tanjaky ny finoan’izy ireo. …

Avy eo i Môrmôna dia nankahery azy ireo tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa izy ireo dia mivoatra mankany amin’ny fandraisan’izy ireo ny fanomezana dia ny fon’izy ireo izay heniky ny fitiavana madion’i Kristy. …

Rehefa nandinika ny lasa aho, dia takatro ankehitriny ny fomba nampatanjahan’io fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana io, ny fitiavana madion’i Kristy, sy nitarihany, nanohanany, ary nanovany ny reniko tao anatin’ny tolona nataony hiverenana any amin’ny fonenany any an-danitra. …

… Mahafantatra amin’ny antsipiriany ireo adinao ny Mpamonjy. Fantany ny fahafahana lehibe anananao mba hitombo finoana sy fanantenana ary fiantrana.

Ny didy sy ny fanekempihavanana atolony anao dia tsy fitsapana hanaraha-maso anao. Izany dia fanomezana manampy anao handray ireo fanomezan’ Andriamanitra rehetra sy hiverina any an-danitra any amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Tompo, izay tia anao.

Hamoaka printy