2022
I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery

Sombin-dahatsoratra

Sary
Teny notsongaina amin’ny petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Raha toa ianao ka eo anelanelan’ny 11 sy 18 taona, dia manana hafatra manokana ho anao avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao aho.

Ny hafatry ny Mpamonjy ho anao

Ry tanora namako malala, raha teto izao ny Mpamonjy dia inona no holazainy aminareo?

Mino aho fa hanomboka amin’ny fanehoana ny fitiavany lalina ho anareo Izy. …

Na izany aza, satria malemy sy tsy lavorary isika rehetra, dia mety hanomboka hiahiahy ny ao an-tsainao ao. Mety hahatsiaro ireo fahadisoana nataonao ianao, ireo fotoana izay nanekenao ho resin’ny fakam-panahy, ireo zavatra nirianao raha mba tsy natao—na ireo izay nirinao raha nataonao tsaratsara kokoa. …

Mino aho fa tian’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho hitanao sy ho tsapanao ary ho fantatrao fa Izy no herinao. Fa noho ny fanampiany dia tsy misy fetra ny zavatra azonao atao. …

Hambaran’ny Mpamonjy am-patokiana tanteraka fa ianao dia zanakavavy na zanakalahin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Ny Rainao any An-danitra no olona be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao, feno fitiavana, fifaliana, fahadiovana, fahamasinana, fahazavana, fahasoavana ary fahamarinana. Ary indray andro any dia tiany handova izay rehetra ananany ianao. …

Mba hahatanteraka izany dia naniraka an’i Jesoa Kristy Izy mba ho Mpamonjy anao. …

Izany no anjaranareo. Izany no hoavinareo. Safidinao izany!

Fahamarinana sy safidy

Ny ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambaranao dia ny herinao hisafidy. …

Rehefa manana safidy manan-danja tokony hatao ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no safidy tsara indrindra. Rehefa manana fanontaniana ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no valiny tsara indrindra. Rehefa mahatsapa ho malemy ianao dia i Jesoa Kristy no herinao. …

Ho zatovo mahery!

Mba hanampiana anao hahita ilay Lalana sy mba hanampiana anao hanao ny fotopampianaran’i Kristy ho ny hery mitaona eo amin’ny fiainanao, dia nanomana loharanom-pitaovana vaovao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia ny Ry tanora, mahereza nasiam-panavaozana izany: ny Ho zatovo mahery!. …

Aoka hazava tsara fa ny mpanoro lalana tsara indrindra hanananao amin’ny fanaovana safidy dia i Jesosy Kristy. I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery.

Koa ny tanjon’ny Ho zatovo mahery! dia ny hanoroana anareo ho any Aminy. …

Zava-dehibe ho anareo koa ny mahafantatra hoe inona no tsy ataon’ny Ho zatovo mahery!. Tsy mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranareo izany. Tsy manome anao “eny” na “tsia” momba ny safidy rehetra mety hatrehinareo izany. Ny Ho zatovo mahery! dia mifantoka amin’ny fototry ny safidinareo. Mifantoka amin’ny soatoavina sy fitsipika ary fotopampianarana izany fa tsy amin’izay fitondrantena manokana rehetra. …

Fahadisoana ve ny manana lalàna? Mazava ho azy fa tsia. Ilaintsika rehetra isan’andro izany. Saingy tsy mety ny mifantoka amin’ny lalàna fotsiny raha hoe tsy mifantoka amin’ny Mpamonjy. …

Fenitra ambony kokoa

I Jesoa Kristy dia manana fitsipika ambony dia ambony ho an’ny mpanaradia Azy. Ary ny fanasana hikatsaka mafy ny sitrapony sy hiaina amin’ny fahamarinany no fenitra ambony indrindra misy!

Ny safidy manan-danja eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy dia tsy tokony hiainga avy amin’ny zavatra tiana manokana, na amin’izay mampety na malaza. Ny Tompo dia tsy manao hoe: “Ataovy izay tianareo”.

Hoy Izy hoe: “Aoka Andriamanitra no hanjaka.”

Hoy Izy hoe: “Avia manaraha Ahy.”

Hoy izy hoe: “Aoka hiaina amin’ny fomba masina kokoa, ambony kokoa, matotra kokoa.”

Hoy Izy hoe “Tandremo ny didiko.”

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika, ary miezaka amin’ny herin’ny fanahintsika manontolo isika mba hanaraka Azy.

Ry namako malala, mbola averiko indray, raha mijoro eto ny Mpamonjy androany, dia haneho ny fitiavany tsy manam-pahataperana ho anareo Izy, ny fahatokiany tanteraka anareo. Hilaza aminareo Izy fa vitanareo io. Afaka manorina fiainana feno fifaliana sy fahasambarana ianareo satria i Jesoa Kristy no herinareo. Afaka mahita fahatokiana, fiadanana, fiarovana, fahasambarana, ary fahatsapana ho manana toerana ianao ankehitriny sy mandrakizay, satria izany rehetra izany dia ho hitanao ao amin’i Jesoa Kristy, ao amin’ny filazantsarany, ao amin’ny Fiangonany.

Hamoaka printy