2022
Mifantoha amin’ny tempoly—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


Mifantoha amin’ny tempoly

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Nelson

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, nandritra ireo fivoriana dimy nahafinaritrin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay dia niaina indray ny fisokafan’ny lanitra isika! Mivavaka aho ny mba niraketanareo ny zavatra tsapanareo ary ny mba hampiharanareo izany. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanaka malalany dia vonona hatrany hanampy anareo. Mamporisika anareo aho hampitombo ny ezaka ataonareo hikatsahana ny fanampian’Izy Ireo.

Vao haingana izaho sy Rahavavy Nelson no nanana fahafahana hijery mialoha ny andiany faha 4 vaovao amin’ny andian-tsarimihetsika Book of Mormon Videos (Horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna). Nankaherezin’izy ireo tokoa izahay! …

Zava-dehibe fa ny Mpamonjy dia nisafidy ny hiseho tamin’ny vahoaka tao amin’ny tempoly. Tranony izany. Ahitana ny heriny izany. Aoka isika tsy ho very fifantohana amin’ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao. Manao izay hisian’ny tempoly betsaka kokoa Izy. Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy. Ataony ihany koa izay hampamora ny hahalasa antsika ho tsaratsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany. …

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly amin’ny fomba izay tsy mbola nataonareo hatrizay. Mitsodrano anareo aho mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isan’andro. Tiako ianareo. Enga anie Andriamanitra hiaraka aminareo mandra-pihaonantsika indray, mivavaka aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy