2022
Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Renlund

Hisintona ny endrika PDF

Mila mahatakatra ireo fitsipika mifehy ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miasa mba hanomezana fanambarana ho an’ny tena manokana. …

Ny soratra masina no mandrafitra ny singa voalohany amin’ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy, araka ny hita ao amin’ny soratra masina dia mandrisika ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. …

Ny singa faharoa amin’ireo fitsipika mifehy dia ny hoe ho an’ny tenantsika manokana sy izay nampiandraiketana ihany no andraisantsika fanambarana ho an’ny tena manokana fa tsy ho an’ny hafa. …

 … Ny fotopampianarana sy didy ary fanambarana ho an’ny Fiangonana dia zon’ny mpaminany velona ihany, izay mandray azy ireny avy amin’i Jesoa Kritsy Tompo. …

… Ny mpaminany ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. …

Zon’ny isam-batan’olona ny mandray fanambarana ho an’ny tena manokana Afaka mandray fanambarana ianao, ohatra, momba ny toerana izay honenanao, ny lalan’asa arahinao, na izay hovadianao. …

Ny singa fahatelo amin’ireo fitsipika mifehy dia hoe ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia hifanaraka tsara amin’ireo didin’ Andriamanitra sy ireo fanekempihavanana izay nataontsika Taminy. …

Rehefa mangataka fanambarana mombana zavatra izay efa nanomezan’ Andriamanitra torolalana mazava isika dia manao izay hahatonga antsika handika vilana ireo fahatsapana sy zavatra rentsika ho lasa izay zavatra tiantsika re. …

Ny singa fahefatra amin’ireo fitsipika mifehy dia ny mamantatra ny zavatra izay efa nambaran’ Andriamanitra taminao manokana kanefa vonona handray fanambarana fanampiny avy Aminy. …

 … Fantatro fa ny Fanahy Masina dia afaka mampiseho ary tena hampiseho anao ny zavatra rehetra tokony hataonao.

Hamoaka printy