2022
Fijoroana ho mpianatra maharitra—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Fijoroana ho mpianatra maharitra—Sombin-dahatsoratra” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Fijoroana ho mpianatra maharitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Lund

Hisintona ny endrika PDF

Ireo traikefa toy ny fihaonambe HZM, ireo lasy, ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ary ny misiôna dia afaka manampy amin’ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, mitondra antsika amin’ny fivoarana sy ny fahitana ara-panahy ho any amin’ny toerana misy fiadanam-po. Inona anefa no tsy maintsy ataontsika mba hijanonana eo sy hanohizantsika “[h]ibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’ i Kristy” (2 Nefia 31:20) fa tsy hihemotra? Tsy maintsy manohy manao ireo zavatra izay nahatonga antsika hahatratra izany fahalehibeazana ara-panahy izany isika, toy ny mivavaka matetika, ny filomanosantsika ao amin’ny soratra masina ary fanompoana amin-kitsimpo. …

Tao amin’ny HZM, dia tanorantsika roa hetsy mahery no lasa nahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fampiasana raikipohy tsotra mahakasika ny fiarahana mivory izay niangonan’ny roa na ny maromaro tamin’ny anarany (jereo ny Matio 18:20), ka nandalina sy nampihatra ny filazantsara sy ny soratra masina, niara-nihira, niara-nivavaka, ary nitady fiadanana tao amin’i Kristy. Izany dia fomba mahery vaika entina hifohazana ara-panahy. …

Mamakivaky fotoan-tsarotra ireo tanora matanjak’i Ziona. Ny fitadiavana fifaliana eto amin’ity tontolo izay feno fikorontanana nambara mialoha ity kanefa tsy anisan’izany tontolo izany, sy ny tsy fankasitrahan’ilay tontolo ny fahamasinana, no andraikitr’izy ireo manokana. …

Fantatro fa amin’ny alalan’ny fitokiana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny lalan’ny fanekempihavanany dia afaka mahazo fahatokian-tena ara-panahy sy fiadanam-po isika rehefa mikolokolo ireo fahazarana masina sy ireo fomba fanao feno fahamarinana izay afaka manohana sy mandrehitra ny afon’ny finoantsika. Enga anie isika tsirairay avy mba hanatona kokoa an’ireo afo mampafana ireo ary, na inona na inona hitranga, dia hitoetra eo amin’izany.

Hamoaka printy