2022
Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2022.

Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Christofferson

Hisintona ny endrika PDF

Te hiresaka mikasika ny antsoiko hoe ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. …

… Tsy afaka mamela ny hisian’izay mety ho fanavakavaham-bolon-koditra, na foko, na fampisaraham-bazana hafa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy amin’ny andro farany isika. …

Tena manan-danja ho an’ny fahasambarantsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ny fahatsapana ho manana ny toerana. Kanefa, tena mety hisy fotoana mety hahatsapantsika tsirairay indraindray ho tsy ilaina. …

Andeha isika hamela ny fitsarana ho eo am-pelantanan’ny Tompo sy ireo izay notendreny, ka hionona amin’ny fitiavana sy fandraisana ny hafa amin’ny fomba tsara indrindra vitantsika. …

Lafiny faharoa amin’ilay fotopampianaran’ny fahatsapana ho manan-toerana dia misy idirany amin’ny anjara birikintsika manokana. Na dia mahalana aza isika vao mieritreritra azy, ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fahatsapantsika ho manana toerana dia tonga avy amin’ny fanompoana ataontsika sy ny fahafoizana izay ataontsika ho an’ny hafa sy ho an’ny Tompo. …

Ny singa farany sy manan-danja indrindra eo amin’ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana dia ilay anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy. Tsy ny finamanana ihany no hikambanantsika amin’ny Fiangonana, na dia manan-danja tokoa aza izany. Miditra ho mpikambana isika ho an’ny fanavotana noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavany. Miditra ho mpikambana isika mba hiantohana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo lalaintsika eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly. Miditra ho mpikambana isika mba handraisana anjara amina tetikasa lehibe hananganana an’i Ziona ho fiomanana amin’ny fiverenan’ny Tompo.

Hamoaka printy