2022
Sambatra sy mandrakizay—Sombin-dahatsoratra
Nôvambra 2022


“Sambatra sy mandrakizay—Sombin-dahatsoratra,” Ho zatovo mahery!,nôv. 2022.

Sambatra sy mandrakizay

Sombin-dahatsoratra

Sary
Petadrindrina misy ny teny notsongaina nataon’i Gong

Hisintona ny endrika PDF

Tena ivon’ny drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra mihitsy ny fifaliana marina sy maharitra ary mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiantsika. …

… Tsy misy tonga lafatra anefa isika, ary toy izany koa ny fianakaviana rehetra. …

… Manana fahafahana lalina sy fanomezam-pahasoavana hahita fahatakarana ara-panahy vaovao, fitiavana, fibebahana, ary fifamelan-keloka eo amin’isika samy isika sy eo amin’ny fianakaviana isika, amin’ny fotoana sy ho amin’ny mandrakizay. …

… I Jesoa Kristy izay ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanavotana sy ny fahasambarana, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, dia mampanantena fa hampiray ny fanahintsika sy ny vatantsika, “ka tsy hosarahina na oviana na ovina intsony, mba hahazoany mandray ny fahafenoan’ny fifaliana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:17].

… Ny Sorompananvotan’i Kristy … dia afaka mitondra firaisam-po Aminy sy eo amintsika samy isika.

… Mahafantatra sy tia antsika tanteraka Andriamanitra. …

… [Noho izany] na ireo ao anatin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna aza dia manana fahafahana hibebaka. …

… Ny Tompo dia manome antsika fahafahana masina mba ho tonga tahaka Azy kokoa rehefa manolotra ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloan-tena ho an’ny famonjena izay ilain’ny hafa kanefa tsy azony atao ho an’ny tenany manokana. …

… Sarotra ny manamboatra ny fifandraisantsika sy manasitrana ny fontsika, izay tsy ho vitantsika samirery. Kanefa ny lanitra dia afaka manome antsika tanjaka sy fahendrena mihoatra ny an’ny tenantsika mba hahafantarana izay fotoana tokony hananana faharetana sy ny fomba tsy hiraharahiana intsony izay zavatra nampahory. …

… Enga anie isika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy antsika ao amin’ny trano masin’ny Tompo, ary enga anie Izy hampanatona antsika kokoa an’ Andriamanitra sy hampifanatona antsika samy isika, rehefa mampifanaraka ny fontsika ao amin’ny fangorahana sy ny fahamarinana ary ny famindram-po nomen’i Kristy amin’ny taranaka rehetra isika—amin’izao andro izao sy mandrakizay, sambatra ary mandrakizay. Azo tanterahina izany ao amin’i Jesoa Kristy. Marina izany ao amin’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy