2022
Misy fanantenana!
Septambra 2022


“Misy fanantenana,” Liahona, sept. 2022.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Misy fanantenana!

Sary
ray aman-dreny miresaka amin’ny zanakavavin’izy ireo

Na inona na inona olana atrehantsika dia i Jesoa Kristy no fanantenantsika. Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome lohahevitra ho an’ny laharana ho an’ity volana ity amin’ny fahamarinana kanto ao amin’ny lahatsorany vaovao mitondra ny lohateny hoe: “Fanantenana sy fampiononana ao amin’i Kristy” (pejy 4).

Ho an’ny ray aman-dreny maro, izany hafatra manome fanantenana izany dia ilaina manokana noho izy ireo manao izay tsara indrindra vitany mba hanabeazana ireo zanany ao anatina tontolo sarotra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mampitombo haingana dia haingana ny fanafihany ny finoana sy ny fianakaviana ny fahavalo. Mba hahatafavoaka velona antsika ara-panahy dia mila tetikady hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialoha isika” (“Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7). Mba hanohanana ireo ray aman-dreny amin’io asa masina io, ny Fiangonana dia mikatsaka tsy tapaka ny hanome loharanom-pitaovana izay sady mifanentana amin’izany no manampy.

Ao anatin’ny laharana ho an’ity volana ity izaho sy ny mpiara-manoratra amiko dia mizara lamina iray ho an’ny ray aman-dreny. Lamina izay mampifanjohy fitsipiky ny filazantsara sy paikady azo ampiharina izay afaka manampy ireo ray aman-dreny hanorina fifandraisana matanjaka amin’ny zanany, hikolokolo ny finoan’izy ireo, ary hampiorina firaisan-kina (jereo ny “Lamina mahery vaika ho an’ny fanabeazan-janaka” ao amin’ny pejy 10).

Ny Fanahy Masina dia afaka mitarika antsika ho amin’ny fanantenana sy ny fanampiana ilaintsika. Ny Loholona José A. Teixeira ao amin’ny Fitopololahy dia mampianatra ny fomba ahafahantsika mandray fitarihana lehibe kokoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe: “Misafidiana ny ho olona mihevitra ny zava-panahy” (pejy 40).

Antenainay fa hanampy anao sy ny ankohonanao hahita fanantenana, sy hahatsapa fitiavana kokoa, ary hanana fifaliana lehibe kokoa ity laharana ity.

Amin-kitsimpo,

Maren Daines, JD

Manampahaizana manokana momba ny fitsipika mifehy ny fianakaviana maneran-tany sy ny famolavolana fandaharanasa

Hamoaka printy