2022
Mamela ny Tompo hitarika ny fiainanao
Septambra 2022


“Mamela ny Tompo hitarika ny fiainanao,” Liahona, sept. 2022.

Tanora

Mamela ny Tompo hitarika ny fiainanao

Tsy nahalala hatrany izay mety ho vokatry ny zava-mitranga aho, saingy rehefa nanao zavatra tamim-pinoana aho dia nitahy ahy ny Tompo.

Sary
lehilahy iray mijoro eo an-tendrombohitra sady mijery ny filentehan’ny masoandro

Tsy mba zavatra nampiharina na noresahana tao amin’ny ankohonako ny fivavahana tamin’izaho nihalehibe—na dia tena mpivavaka be aza ireo ray aman-dreniko nandritra ny androm-piainan’izy ireo, ny valim-pitsapana izay naneho fa voan’ny aretina tsy hay sitranina ny raiko, ankoatra ireo fitsapana hafa, dia nitarika azy ireo handao ny fivavahana nitaizana azy ireo. Efa-taona aho tamin’izy maty noho ny homamiadana ary koa zandriny indrindra tamin’ireo 13 mianadahy, ary tsy nino mihitsy ny reniko izay mananotena fa havelan’ Andriamanitra hitranga amin’ny fianakavianay ny zavatra toy izany.

Saingy rehefa 14 taona aho dia tsapako anefa fa nisy zavatra tsy ampy tamin’ny fiainako. Nanontany tena aho raha toa ka nanana tanjona lehibe kokoa izay tsy fantatro. Nahatsapa toa an’i Joseph Smith aho, rehefa “voasarika ho amin’ny fandinihina lalina sy ny fahasahiranana lehibe ny saiko”(Joseph Smith—Tantara 1:8). Na dia mbola tsy nandre momba an’i Joseph Smith mihitsy aza aho tamin’izany fotoana izany, dia nanomboka fikarohana nitovy mihitsy tamin’ny azy aho rehefa nanatrika fiangonana maro tao anatin’ny fanantenana fa hahita fahamarinana.

Ary nanao izany tokoa aho, indray andro, rehefa nahita tovolahy roa nanao palitao ambony ambany nankany an-tranon’ny mpifanolobodirindrina tamiko. Liana te hahafantatra aho ka nanontany azy ireo raha toa ka afaka hanatrika ny fotoanan’izy ireo. Rehefa nahazo ny fankatoavan’ny reniko aho dia nanomboka ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo misiônera ary tamin’ny farany dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ny fidirana ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanampy ahy hahita ny tanjoko, indrindra fa tao anatin’ireo taona naha-tovolahy ahy izay tsy maintsy nandraisako fanapahan-kevitra be dia be izay tsy neken’ny olona nanodidina ahy. Saingy na dia nanana tanjona sy fitarihana aza aho, dia tsy azoko antoka foana hoe hanao ahoana izay hiafaran’ny zava-drehetra.

Na izany aza anefa, rehefa niatrika zavatra tsy fantatra sy tsy azo antoka ary fiovana maro be aho, dia tsy tapaka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra rehefa nitodika Taminy aho. Nianatra fomba vitsivitsy hianteherana Aminy sy amin’ny finoako aho izay nanampy ahy handroso sy hanohy hahita ny tanjoko.

Mandroso hatrany miaraka amina iraka

Tamin’ny taona izay niomanan’ny ankamaroan’ny namako ho any amin’ny anjery manontolo dia nieritreritra ny fomba handehanako hanao asa fitoriana aho. Any Chili, ny olon-drehetra dia tsy maintsy manao fanadinana alohan’ny hidirany any amin’ny anjery manontolo. Indray mandeha isan-taona ihany no anomezana izany fahafahana izany, ka raha handeha hanao asa fitoriana aho dia tsy hoe hanemotra ny fianarako mandritra ny roa taona fotsiny fa tsy maintsy miandry iray taona fanampiny koa vao handeha hianatra aorian’izay.

Ny fianakaviako, indrindra fa ny reniko, dia nanohitra ny hanaovako asa fitoriana. Tena zava-dehibe taminy ny handrantoako fianarana any amin’ny anjery manontolo. Saingy nino aho fa hanampy ahy hanao izay ilaina ny Tompo, ka na dia teo aza izany dia nanomboka niomana tamim-bavaka aho.

Rehefa tonga tao an-tranoko ny evekako nitondra ny taratasin’ny asa fitoriana efa nofenoiko sy nangataka ny sonian’ny reniko dia gaga izy; tsy nolazaiko taminy fa nanohy ilay dingana aho. Somary nitaky fandresen-dahatra kely izany, saingy nanalefaka ny fony ny Tompo ary nanampy azy hahatakatra fa te hanompo aho.

Nanome toky ahy ny filazantsara fa nanao ny tokony natao aho, saingy tamin’ny alalan’ny firosoana hatrany sy tsikelikely ary tamim-pinoana ihany izany—na dia teo aza ireo fanontaniako sy ny fisalasalako rehetra—dia nanohy nandroso hatrany aho.

Manaraka fanambarana misesisesy

Ny fiverenana nody avy tamin’ny asa fitoriana nataoko dia nidika ihany koa hoe fiverenana amin’ny tsy fahazoana antoka. Rehefa nikatsaka fitarihana avy tamin’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina aho dia nahazo fanambarana fa nila nifindra ho any Etazonia ary ny hiditra ao amin’ny Oniversite Brigham Young, izay toy ny zavatra saika tsy azo noheverina velively.

Nanao izay fara-heriko aho ary nanao ireo dingana tsara indrindra manaraka. Indraindray aho dia nahatsapa ho tsy nandroso—niasa mafy araka izay tratrako aho, saingy tsy azoko antoka tsara hoe ny ezaka nataoko dia hanampy ahy hanatratra ny tanjoko. Ny hanaraka izay tian’ny Tompo hataoko anefa no tena tanjoko, ary sarobidy tamiko izany tanjona izany.

Rehefa nanao ireo ezaka ireo aho, indray andro, dia nahazo fitaomam-panahy hanatona ny namako akaiky izay avy any Etazonia ary nipetraka tao amin’ny tanàna niaviako. Tsy fantatro hoe hanao ahoana izay hiafaran’ny zava-drehetra tamin’izany fotoana izany—nanatona fotsiny aho satria ny Fanahy no nitarika ahy—saingy ny namako sy ny rainy dia lasa fitaovana nanampy ahy hahafantatra ny tokony hatao mba hanao fangatahana sy hahazoana ny visa nilaiko mba hianarana any BYU. Noho ny fanampian’izy ireo sy ny fahafoizan-tena lehibe nataon’ny reniko mba handoavana ny diako, dia tonga tany aho. Fahagagana ilay izy.

Nivoatra hatrany toy izany koa ny fiainako. Nanao izay fara-heriko aho ary avy eo dia nahazo fitaomam-panahy, zavatra iray isaky ny mandeha, tamin’izay tokony nataoko manaraka. Tamin’izany fomba izany no nahazoako asa tao amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera sy nahitako fomba handoavana ny saram-pianarako, ny nisafidianako ny taranja fototra amin’ny fianarana, ary nony farany dia nahazo diplaoma ary nanambady.

Tsy tonga teo no ho eo foana ireo valin-teny voaraiko ary tsy nahazo drafitra tamin’ny antsipiriany tanteraka mihitsy aho, kanefa nahazo toky aho fa faly ny Tompo tamin’ny lalana nizorako.

Sary
lehilahy mitazana eo am-baravarankely

Rehefa tsy takatra mazava tsara ny fanambarana

Taona vitsivitsy taty aoriana dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny fahafoizan-tena eo amin’ny fiainana ny filazantsara aho. Raha tiantsika hanome antsika tanjona sy fitarihana ny Tompo, dia tsy maintsy vonona ny handray izany fitarihana izany isika.

Taorian’ny fianarana dia tsy nandeha araka ny nokasaina ny zavatra tao amin’ilay orinasa niasako, ka nanana safidy roa izahay mivady: hijanona any Etazonia na hiverina any Chili. Samy nahatsapa izahay fa nila niverina tany Chili. Mety ho toy ny zavatra mahazatra ny hoe te hody, saingy tao anatin’ny fotoan-tsarotra tokoa izany. Tsy dia nisy asa firy tany Chili. Sahirana aho nivarotra ny tranonay. Tsy izany no zavatra tokony hatao raha ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana no jerena; na ny fianakavianay aza nihevitra fa tsy ampy fahendrena ny zavatra nataonay.

Inona no ataonao rehefa mifanipaka amin’ny zavatra eken’ny saina ny fanambarana? Na dia sarotra aza izany, dia nahafantatra izay tokony hatao izahay mivady. Nampahatsiahy ny tenanay izahay fa ny filazantsara no nitrondra anay hatreto. Raha tsy teo ny Tompo dia tsy ho nanana ny fitaomam-panahy izay nanampy ahy hanao asa fitoriana sy hahazo ny fianarako ary hihaona amin’ny vadiko aho. Tsy maintsy natoky fotsiny izahay fa na inona na inona antony, dia nilaina tany Chili izahay.

Navelanay tany amin’ny evekanay ny tranonay mba hampanofaina mandra-pahafahany hivarotra izany, dia nifindra toerana izahay. Sarotra izany, saingy niaina fitahiana sy fahagagana maro be izahay rehefa nihaino ny antson’ny Tompo. Fantatry ny Tompo ny toerana ilàna antsika sy ny toerana ahafahantsika manatanteraka tsara ny tanjony, ary mitahy antsika Izy noho ny fankatoavantsika.

Mahita vahaolana miaraka amin’ny Tompo

Manantena aho fa ny tanora ankehitriny dia hanaraka ny ohatra nasehon’ny rahalahin’i Jareda. Na dia fantatry ny Jaredita aza fa mila mandeha any amin’ny tany nampanantenaina izy ireo, dia tsy azony antoka tsara hoe ahoana no hahatongavany any. Rehefa “niantso ny anaran’ny Tompo” (Etera 2:15) ny rahalahin’i Jareda, dia nanolotra vahaolana vitsivitsy ho azy Izy. Nasain’ny Tompo nanamboatra sambo izy ka dia nomeny torolalana momba ny fomba hanomezana rivotra an’ireo izay ao anaty sambo.

Ary avy eo dia nanontany ny rahalahin’i Jareda ny Tompo hoe, “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?” (Etera 2:23). Tsynilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda ny zavatra izay tena tokony hataony ny Tompo fa naleony nangataka azy mba handeha hitady vahaolana ho azy manokana.

Toy izany no fizotry ny fiainako. Indraindray ny Tompo dia manome ahy toromarika mazava. Indraindray Izy dia miandry ahy hanatona Azy miaraka amin’ny hevitro manokana. Na izany na tsy izany, dia zava-dehibe ny fampandraisako Azy anjara amin’ilay dingana. Ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fakàna hevitra amin’ny Tompo dia dingana ilaina ho an’izay rehetra miezaka mandray fanapahan-kevitra momba ny fiainany.

Ho an’ireo tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony izay mitady tanjona bebe kokoa dia manolotra izao torohevitra izao aho: Mitodiha amin’ny Tompo mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Jereo matetika ny tsodrano nomen’ny patriarika anao. Ary aoka ho vonona ny hahafoy ireo zavatra tsy dia manan-danja eo amin’ny fiainanao raha milaza aminao ny Tompo fa manana tanjona lehibe kokoa ho anao Izy.

Tiako ny Tompo. Zava-drehetra amiko ny filazantsara. Fantatro fa hitan’ny Tompo ny zavatra mety ho vitanao ary te hanampy anao hahatratra ny tanjonao masina Izy.

Hamoaka printy