2022
Inona no nampianarin’i Isaia momba ny maha-mpanompon’ny Tompo?
Septambra 2022


“Inona no nampianarin’i Isaia momba ny maha-mpanompon’ny Tompo?,” Liahona, sept 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Isaia 40–49

Inona no nampianarin’i Isaia momba ny maha-mpanompon’ny Tompo?

Matetika ny Tompo no miantso ny mpanara-dia Azy ho mpanompony na vavolombelony. Ireo teny ireo dia fahita manerana ny soratra masina, ary tsy maningana ny bokin’i Isaia. Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, ary koa ankehitriny, dia nanome fahafahana ny olona hanompo Azy sy ho vavolombelony ny Tompo.

  • Rehefa mamaky ny Isaia toko 40–49 ianao dia tadiavo ireo fotoana nilazan’ny Tompo hoe “mpanompo” na “vavolombelona.” Iza no tiany holazaina amin’izany? Mitadiava andininy izay mampianatra ny fomba ahafahanao ho vavolombelona sy ho mpanompon’ny Tompo, toy ny Isaia 44:2.

    Sary
    I Joseph Smith mitory teny

    Joseph Smith Preaching [I Joseph Smith mitory teny], nataon’i Sam Lawlor © 2001

  • Avy eo, eo am-pamakianao ny toko 41–44, dia azonao atao ny mieritreritra hoe inona avy ireo andininy azo ampiharina amin’ny antsonao na ny fanompoanao. Inona no angatahin’ny Tompo hataonao, ary ahoana no hanampiany anao?

    Sary
    vehivavy telo mitsikitsiky
  • Inona no fahafahana nomena anao mba ho mpanompo na ho vavolombelon’ny Tompo? Mety ho ohatra amin’izany ny antso, ny asa fitoriana, ny fampianarana ny fianakavianao, na asa fanompoana hafa. Azonao atao ny mitanisa ireo zavatra niainana ireo ao amin’ny diarinao. Inona no nianaranao avy tamin’izy ireo? Ahoana no nanampian’ny Tompo anao?

    Sary
    misiônera manompo

Hamoaka printy