2022
Ilay valim-bavaka azoko tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna
Septambra 2022


“Ilay valim-bavaka azoko tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, sept. 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ilay valim-bavaka azoko tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna

Niezaka ny nanao izay “hiovan’” i Mama Wong aho saingy zavatra tsotra sy mahery vaika ihany no hany nilainy, dia ny tenin’ Andriamanitra izany.

Sary
reny sy zanakavavy

Mama Wong sy i Annie

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Taorian’ny nanaovana batisa ahy tamin’ny jona 2002 dia nozaraiko tamin’ny reniko ny finoako. Na dia nanatrika matetika tany am-piangonana niaraka tamiko aza i Mama Wong dia tsy te hahalala misimisy kokoa isika.

Nony farany, 10 taona taty aoriana dia nisafidy ny hatao batisa i Mama Wong. Hafaliana aok’izany ny ahy. Nampalahelo anefa fa taona vitsy taty aoriana dia nijanona tsy nanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona nananany izy ary namorona ala olana tsy hankanesana any am-piangonana.

Namporisika azy ho tonga any am-piangonana aho fa tsy niteraka afa-tsy fifandirana izany. Nony farany dia nadaboko ny famporisihana azy mba tsy haharatsy fihavanana anay.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2019 ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana “[hanao] drafitra ho [antsika] manokana” mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Famerenana amin’ny laoniny.1 Rehefa nieritreritra io fanasany io aho dia nahatsapa mafy fa tokony hanao zavatra mba hanatsaran-javatra eo aminay sy i Mama Wong.

Ho fanolorantena ho an’ny taona vaovao dia nanolotena aho ny hiaraka hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’i Mama Wong. Isaky ny miteny izy hoe marary ny masony, dia hoy aho hoe: “Afaka mihaino fotsiny ianao ka.” Rehefa milaza izy hoe nila nanasa lovia izy, dia narahiko tany an-dakozy izy ary nanohy namaky tamin’ny feo mafy aho.

Ho vokany dia nihaino tsara i Mama Wong ary tadidiny ny zavatra novakiko. Rehefa nandeha ny fotoana dia nisafidy ny hamaky irery izy. Taty aoriana dia nolazainy ahy fa tsy mba olona tsotra no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nanana fisalasalana izy ny amin’ny maha-tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ho ahy dia fahagagana ny fahitana azy niova avy tamin’ny olona tsy liana ho lasa olona te hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mijoro ho vavolombelona ny amin’izany.

Taorian’ny nahavitan’ny batisan’i Mama Wong dia nanahy aho ndrao noho ny amiko no nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana. Ankehitriny kosa anefa dia manana fijoroana ho vavolombelona azy manokana izy. An-taonany maro aho no niezaka ny nanao izay “hiovan’” i Mama Wong saingy zavatra tsotra sy mahery vaika ihany no hany nilainy, dia ny tenin’ Andriamanitra izany.

Velom-pisaorana aho ny amin’ny mpaminany velona izay manome tari-dalana ara-potoana mandrakariva. Raha mandray andraikitra eo anatrehan’izay ampianariny isika dia hisy fitahiana lehibe hanaraka. Io zavatra niainana io dia naneho tamiko ny amin’ny fanirian’ny Tompo mafy hitahy antsika. Ny hany nataoko dia ny namaky toko vitsivitsy avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny reniko. Avy eo dia ny Tompo no nanao ny ambiny!

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 122.

Hamoaka printy