2022
Nuku‘alofa, Tonga
Septambra 2022


“Nuku‘alofa, Tonga,” Liahona, Sept. 2022.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Nuku‘alofa, Tonga

Sary
sarintany misy faribolana manodidina an’i Tonga
Sary
fitazanana avy any ambony ny Tempolin’i Nuku‘alofa Tonga

Sary nalain’i Neil Crisp, 2021

Ny tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any Nuku‘alofa dia eo akaikin’ny Liahona izay Sekoly ambaratonga faharoa an’ny Fiangonana. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia mahatratra eo amin’ny 63 isan-jaton’ny mponina ao Tonga, ary ny Fiangonana any dia ahitana

  • mpikambana miisa 66.400 (tokotokony io tarehimarika io)

  • tsatòka 21, distrika 2, paroasy sy sampana 173, ary misiôna 2

  • ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana 21, tempoly iray am-perinasa ary tempoly iray eo an-dalam-panamboarana

Ho tafaray indray isika

Sonasi Langi (efa maty izy amin’izao) avy any Kolonga, Tongatupu, dia nivory matetika niaraka tamin’ny fianakaviany mba hihira fihirana sy hametraka voninkazo teo amin’ny fasan’ny rainy sy ny anabaviny. “Ho tafaray indray isika,” hoy izy. “Araka ny hevitro dia hihira ireny hira ireny ihany isika amin’izany fotoana izany.”

Sary
lehilahy mihira miaraka amin’ny fianakaviany

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Tonga

Sary
ny mpanjakan’i Tonga niaraka tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy ny hafa

Mandray ny Filoha Russel M. Nelson sy Wendy vadiny; ny Loholona Gerrit W. Gong sy Susan vadiny; sy ny hafa tamin’ny fitsidihana tany Tonga tamin’ny 2019 ny mpanjakan’i Tonga.

Sary nalain’i Jeffrey D. Allred, Deseret News

Sary
zatovovavy mitsiky

Sahala amin’ireo zatovovavy manerana ny Fiangonana, ity zatovovavy eto Tonga ity dia mametraka tanjona ary miasa mba hanatratrarana izany.

Sary
fampisehoana tany amin’ny Tempolin’i Neiafu Tonga

Io fampisehoana io dia mampiseho ny endriky ny Tempolin’i Neiafu Tonga, ilay tempoly faharoa ao Tonga, rehefa vita ny fanorenana.

Sary
reny sy ny zanany lahy miara-mamaky teny

Ny tokantrano dia ivon’ny fianarana ny filazantsara any Tonga, toy ny manerana ny Fiangonana rehefa mihaino ilay antso hoe “avia, manaraha Ahy” ny mpikambana (Lioka 18:22).

Sary
fianakaviana mandeha eny amoron-dranomasina

Any Tonga, matetika ny fialam-boly mahasoa ho an’ny mpianakavy dia tsotra ary anisan’izany ny dia an-tongotra miaraka manaraka nymoron-dranomasina.

Sary
mpivady miasa eny an-tsaha

Zava-dehibe ny fambolena any Tonga, ary Olomasin’ny Andro Farany maro no mamboly sy mijinja sakafo.

Sary
vehivavy roa mihomehy mikarakara ravina akondro ao an-dakozia

Any Tonga, toy ny any amin’ny nosy Pasifika maro, ny ravin’akondro dia matetika ampiasaina amin’ny fanomanana sakafom-pianakaviana.

Sary
fianakaviana iray miara-mihira hira ao amin’ny fihirana

Ampahany manan-danja amin’ny fiaraha-mivavaka any Tonga ny mihira ny fihirana, toy izany koa manerana ny Fiangonana.

Sary
lehilahy ampian’ny hafa mba hitafy fitafiana nentim-paharazana

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina ao Tonga ny fitafy nentim-paharazana.

Sary
zatovolahy iray mitsikitsiky mandritra ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana

Ankafizin’ny zatovolahy iray ny mihaona amin’ny hafa amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny zatovo ao amin’ny trano fivoriana iray any Tonga.

Sary
mpivady miara-mamaky boky

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina dia manampy ny mpivady any Tonga hiara-hitombo ara-panahy.

Sary
fiara rakotry ny lavenona vôlkano

Nisy fipoahana vôlkano nandrakotra lavenona ny faritra maro tao Tonga tamin’ny janoary 2022.

Sary tao amin’ny Malau Media, nahazoana lalana ny fampiasana azy

Sary
sambo niantsona nahitana mpirotsaka an-tsitrapo sy nanome fanampiana

Ireo mpikambana ao amin’ny nosy Tongatapu dia nanome fanampiana nentina an-tsambo mba hanampiana ireo izay any amin’ireo nosy ivelany.

Hamoaka printy