“Fanantenana sy fiononana ao amin’i Kristy,” Liahona, sept. 2022,
Fanantenana sy fiononana ao amin’i Kristy
Aoka isika hihazona amin’ilay fampanantenana fa ny Tompo dia mahatsiaro sy mamaly soa ireo Olomasina mahatoky.
Nanana fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny i Jens sy i Ane Cathrine Andersen. Na dia teo aza ireo mpihetraketraka tezitra sy ny fanenjehan’ny mpiray monina ary ny fanenjehan’ny teo anivon’ny faritany dia niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo tamin’ny 1861.
Tamin’ny lohataonan’ny taona nanaraka, dia nihaino ny antson’i Ziona izy ireo, izay niantsoantso tany amin’ny 8.000 km niala ny Lohasahan’i Salt Lake. Ny fandehanana tany Ziona dia nidika fandaozana ny fiainan’izy ireo tsara tany Danemark—anisan’izany ireo namana, havana, ary ny toeram-piompiana sy fambolena tsara tarehy izay nafindran’ny ray ho amin’ny lahimatoa nandritra ny taranaka maro. Tao amin’ny tanànan’i Veddum, akaikin’i Aalborg, eo amin’ny Saikinosin’i Jutland lonaka any avaratr’i Danemark, no nisy ilay toeram-pambolena sy fiompiana be velarana sy namokatra. Nampiasa olona am-polony izy io ary nanome voninahitra sy fidiram-bola ho an’ny fianakaviana Andersen.
Nizara ireo fitaovana ireo tamin’ireo namany niova fo i Jens sy i Ane Cathrine, ka nandoa ny saran’ny fifindra-monina ho an’ireo Olomasina teo amin’ny 60 teo ho eo nankany Ziona. Tamin’ny 6 aprily 1862, dia niaraka tamin’ny Olomasina Danoà 400 hafa tao amin’ilay sambo kely Albion izy mivady, niaraka tamin’i Andrew zanak’izy ireo lahy 18 taona, ary nandeha sambo nankany Hambourg, Alemana. Tonga tao Hambourg izy ireo roa andro taty aoriana, dia niaraka tamin’ireo Olomasina nivory maro niondrana an-tsambo lehibe iray mba hanomboka ny diany namakivaky ny Atlantika.
Tsy ela anefa dia nivadika ho alahelo ny hafaliana hoe handeha ho any Ziona. Ankizy maromaro izay niditra tao amin’ny Albion no nitondra ny tsimokaretina kitrotro. Rehefa niparitaka teo amin’ny laharan’ireo mpifindra monina ilay aretina, dia ankizy 40 sy olon-dehibe maromaro no maty ary nalevina tany an-dranomasina. Anisan’izany i Jens Andersen, 49 taona, raiben’ny raiben’ny raibeko.
Ny nofin’i Jens mba hanatratra sy hanorina an’i Ziona miaraka amin’ny fianakaviany sy ireo Olomasina Danoà namany dia nifarana 10 andro monja taorian’ny nialana tao Hambourg. Ny mpahay tantara iray dia nanoratra fa: “Mpanafaka izay tsy nametraka ny tongony teo amin’ny tany nampanantenaina na oviana na oviana toa an’i Mosesy i Jens Andersen avy ao [Veddum], Aalborg, izay nanampy ny namany tsy latsaky ny enimpolo eo ho eo hifindra monina; maty teo amin’ny Ranomasina Avaratra izy tamin’ny 1862 taoriana kelin’ny nialany an’i [Alemaina].”1
Ny fitsapana eo amin’ny fiainana an-tany
Mitombina ve ny fahafoizantenan’ny fianakavian’i Andersen—izay nandao ny toeram-pambolena sy fiompiana nampiadana ary namoy ny vadiny sy ny rainy be fitiavana? Azoko antoka fa hiteny hoe tsia izao tontolo izao. Saingy izao tontolo izao dia tsy manana finoana, fahitana mialoha, ary ny “fomba fijery mibanjina ny mandrakizay”2 atolotry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Izany fomba fijery izany dia manampy antsika hahatakatra ny fiainantsika eto an-tany sy ireo fitsapana maro ao aminy. Miatrika tahotra, famadihana, fakam-panahy, fahotana, fahaverezana ary fanirery isika. Ny aretina, ny loza, ny fahaketrahana ary ny fahafatesana dia mandrava ny nofinofintsika. Indraindray, ny enta-mavesatsika dia toa lehibe mihoatra izay azontsika zakaina.
Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe, “na dia ho samy hafa aza ny antsipiriany dia mitranga amintsika tsirairay ny loza, ny fitsapana na fanamby tsy nampoizina ara-batana sy ara-panahy satria izany no fiainana an-tany.” Dia nampiany hoe : “Mikatsaka fahasambarana isika. Maniry fiadanana isika. Manantena fitiavana isika. Ary ny Tompo dia handrotsaka ranonoram-pitahiana sesehena ho antsika. Saingy misy zavatra iray azo antoka fa mifaningotra amin’ny fifaliana sy ny fahasambarana: tsy maintsy hisy ny fotoana, ora, andro, ary indraindray taona izay hahavoaratra ny fanahinao.”3
Miatriaka ny mangidy isika mba hahafahantsika hankafy ny mamy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39). Araka ny tenin’i Isaia mpaminany, isika rehetra dia voadio—ary voafidy—“[ao] amin’ny memy fahoriana” (Isaia 48:10).
Ny fampanantenana avy amin’ny Sorompanavotana
Tafiditra ao amin’ny “drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8 an’ny Ray ny fahoriana ; jereo koa ny 2 Nefia 2:11). Saingy ivon’izany drafitra izany ny fampiononana sy fanantenana azo avy amin’ny “Sorompanavotana lehibe sy be voninahitra.”4 Tonga mba hamonjy antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy. (Jereo ny Almà 36:3.)
“Nidina ambanin’ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6) ny Mpamonjy mba hahafahany nitondra teo Aminy ny fahasahiranana sy ny fahadisoantsika. Hainy ny manompo antsika amin’ny fahatakarana feno hoe aiza sy inona no antony mampangirifiry izany.
“Koa satria ny Mpamonjy dia niaritra ny zava-drehetra sy izay rehetra mety ho tsapantsika na niainantsika, dia afaka manampy ny malemy Izy mba ho lasa matanjaka kokoa,” hoy ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Efa niaina manokana izany rehetra izany Izy. Mahatakatra ny fahoriantsika Izy ary hanohana antsika na dia toa mangidy tokoa aza ny fiainantsika.”5
Izany no antony ahafahantsika mametraka ny fanantenantsika faratampony Aminy sy ny Sorompanavotany.
“Ny tontolontsika dia tontolo tsy miraharaha sy maneso—izao tontolo izao izay, amin’ny ankapobeny, dia tsy manana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy na amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambaran’ny olombelona,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “Nahoana no misy fifandirana sy haizina maneran-tany toy izany? Tsotra ny antony. Raha tsy misy fanantenana ao amin’i Kristy, dia tsy misy ny fanekena ny drafitra masina ho an’ny fanavotana ny olombelona. Raha tsy misy izany fahalalana izany, dia diso hevitra ny olona mino fa ny fisiana ankehitriny dia arahin’ny faharavana rahampitso—fa ny fahasambarana sy ny fifaneraserana ao amin’ny fianakaviana dia mandalo fotsiny.”6
Mahita fanantenana sy fanasitranana ao amin’i Jesoa Kristy aho rehefa mandeha any amin’ny tempoly sy mihaino ny tenin’ireo mpaminany velona. Mahazo fampiononana aho rehefa mandalina soratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba Azy sy ny Sorompanavotany. Rehefa mandrahona ny “[handrava ny fiadanana]” ny fiainana an-tany,7 dia mitodiha amin’ilay antsoiko hoe “soratra masina fiarovana.” Indreto ny sombiny amin’ireo tiako indrindra:
Testamenta Taloha
-
“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra” (Isaia 25:8).
-
“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika. … “Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:4–5).
Testamenta Vaovao
-
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).
-
“Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33).
Bokin’i Môrmôna
-
“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12).
-
“Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana” (Môrônia 7:41).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
-
“Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo; ary ianareo dia ho vavolombelona hanambara Ahy, Jesoa Kristy, fa Izaho no Zanak’ilay Andriamanitra velona, fa Izaho ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6).
-
“Koa aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36).
Ireo sy ny andian-tsoratra masina hafa dia mijoro ho vavolombelona, araka ny tenin’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, momba “ny fampanantena avy amin’ny sorompanavotan’i Kristy.”8
Ny fiangavian’ny Mpaminany iray
Rehefa takatsika ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny fahasambarantsika ankehitriny sy amin’ny tontolo ho avy dia takatsika ny antony iangavian’ ny Filoha Nelson antsika mba hanao Azy ho fototra ara-panahin’ny fiainantsika:
“Miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo! Ataovy mafy orina sy tsy tontan’ny ela amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hiaraka aminareo mandrakariva ny fototra ara-panahinareo manokana.” Ny fanokanana fotoana ho an’ny Tompo, hoy ny nampian’ny Filoha Nelson, dia ahitana ny fanokanana “fotoana ho an’ny Tompo ao amin’ny tranony masina” amin’ny alalan’ny fanompoana sy fitsaohana any amin’ny tempoly.9
“Ary ho anareo tsirairay izay efa nanao fanekempihavanana tany amin’ny tempoly, miangavy anareo aho hikatsaka amim-bavaka sy tsy tapaka ny hahatakatra ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy. …
“… Na oviana na oviana misy korontana mitranga eo amin’ny fiainanareo, ny toerana hahatsapan-tena ho voaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly!
“Miangavy anareo aho hino ahy fa rehefa miteny aho hoe rehefa ny fototra ara-panahinareo no miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy dia tsy mila matahotra ianareo.”10
Vita tombo-kavatsa eo am-pelatanany
Inona no nanjo an’i Ane Catherine sy i Andrew zanany? Moa ve izy ireo kivy ka niverina tany Danemark taorian’ny diany nampalahelo nandritra ny enina herinandro nankany New York? Tsia. Niantehitra tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny drafitry ny famonjena ary ny fahatokiana an’ Andriamanitra izy ireo, ka niroso tamin-kerim-po tamin’ny lamasinina sy ny sambokely ary ny sarety. Tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 3 Septambra 1862, ary niara-niasa tamin’ny fanorenana an’i Ziona.
Nipetraka tany Ephraim, Utah izy ireo, izay nanambadian’i Andrew sy nananganany fianakaviana. Taty aoriana i Andrew dia namindra ny fianakaviany, anisan’izany ny reniny, tany Lehi, Utah, izay naha-lasa mpamboly sy mpiasan’ny banky ary ben’ny tanàna niroborobo azy. Nanao asa fitoriana nandritra ny telo taona tany amin’ny taniny izy, nandritra ny roapolo taona mahery tao amin’ny episkôpà ary telopolo taona mahery tao amin’ny filankevitra avo na tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo. Nanao asa fitoriana tany Danemark sy Nôrvezy ny telo tamin’ireo zanany lahy.
Amin’ny fijerin’izao tontolo izao, dia tsy afaka mahita ny fiafarana be voninahitra avy any amin’ny fiandohana feno ranomaso isika. Saingy miaraka amin’ny finoana an’i Kristy dia afaka mijery ny ho avy amim-panantenana isika. Ary afaka mihazona ilay fampanantenana isika fa ny Tompo dia mahatsiaro sy mamaly soa ireo Olomasina mahatoky, anisan’izany i Jens sy i Ane Catherine ary i Andrew. Nahatsiaro azy ireo ny Tompo, ary mahatsiaro antsika Izy. Nampanantena Izy hoe:
“Fa Izaho kosa tsy mba [h]anadino anao.
“Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao” (Isaia 49:15–16).