2022
Andro iray isaky ny mandeha
Septambra 2022


“Andro iray isaky ny mandeha,” Liahona, sept. 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Andro iray isaky ny mandeha

Feno fankasitrahana amin’ireo mpikambana mahafinaritra ao amin’ny paroasinay izahay, izay manampy anay amin’ny zanakay izay autiste.

Sary
zatovolahy

I Josh nandritra ny dia vao haingana tany amin’ny tempoly.

Sarin’i Joshua nahazoana alalana avy amin’ny mpanoratra

Rehefa 18 volana i Joshua zanakay lahy, dia nahatsikaritra zavatra tsy mahazatra tamin’ny fitondran-tenany izahay. Saika afaka nitanisa ny teny rehetra tamin’ny hira tsirairay tao amin’ireo fandaharana tamin’ny fahitalavitra nojereny i Josh, saingy tara izy vao nianatra niteny. Indray andro dia nilaza ny rafozambaviko fa naneho fambarana autisme i Josh. Nilaza izany taminay koa ireo manam-pahaizana manokana.

Namaky asasoratra maro momba ny autisme i Elizabeth vadiko. Nampiditra an’i Josh tamin’ny fandaharana hanampiana azy koa izy. Tapa-kevitra izy ny hanome azy ny fiandoham-piainana tsara indrindra azonay omena azy.

Tamin’ireo andro nahasahiran-tsaina be ahy momba ny hoavy, dia nampitony ahy i Elizabeth. Nilaza tamiko izy fa mila mandeha tsikelikely isan’andro isaky ny mandeha izahay.

“Mila mankasitraka ny zava-baovao rehetra ianaran’i Josh isika fa tsy mifantoka amin’ireo tsy fantatra rehetra amin’ny hoavy,” hoy izy.

Rehefa nihalehibe i Josh dia nanjary tsy voafehy tao am-piangonana. Mba hisakanana azy tsy hanakorontana ny Kilonga na handratra ankizy dia nohazoniko teo am-pofoako izy. Niady mafy sy nandrangotra ary nitolona tamiko nandritra ny adiny telo tany am-piangonana izy. Matetika aho no naratra sy vizana rehefa nody.

“Nahoana no tsy avelantsika aty an-trano tsy ho any am-piangonana fotsiny izy dia mifandimby mijanona miaraka aminy isika?” Izany no torohevitra narosoko.

“Raha tsy manohy mitondra azy isika,” hoy i Elizabeth namaly, “dia ho fantany fa raha manao maditra izy dia entina miala tsy ho ao am-piangonana.” Fantatro fa marina ny zavatra nolazainy.

Indray andro dia nilaza tamiko ny renim-pianakaviana iray hafa manan-janaka autiste hoe: “Rehefa feno valo taona i Josh ary mahazo ny Fanahy Masina dia hiha-hendry kokoa izy!”

Tsy nino ny teniny aho, saingy rehefa feno valo taona izy ka nandray ny Fanahy Masina dia niha-hendry tokoa—eny na dia kely aza.

Rehefa nihalehibe i Josh dia nandray ny fisoronana. Nizara ny fanasan’ny Tompo izy ary nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana. Nianatra dihy iray tao amina horonan-tsary tamin’ny taona 80 niaraka tamin’i Josh ireo mpikambana tao amin’ny kôlejin’ny fisoronany ary nanao izany tao amin’ny lanonana iray tao amin’ny paroasy.

Nahafinaritra ny fandraisan’ny paroasinay an’i Josh. Nitsiky ireo mpikambana rehefa nizara ny fanasan’ny Tompo izy sady nanao dihy tamin’ny taona 80 vitsivitsy teo am-panaovana izany.

17 taona i Josh ankehitriny. Mpanao mozika manan-talenta manoratra hira izy. Tia milalao tantara izy ary miseho tsy tapaka any an-tsekoly sy ny filalaovana an-tsehatra eo amin’ny fiarahamonina.

Feno fankasitrahana izahay fa ray aman-drenin’i Josh ary mandray anjara amin’ny lalam-piainany. Tsy azonay antoka izay hitranga amin’ny hoavy, nefa izahay dia manolo-tena ny hiara-hiaina aminy amin’ny fomba feno isan’andro.

Hamoaka printy