2022
Ny hatsaran’ny fahanterana
Septambra 2022


“Ny hatsaran’ny fahanterana,” Liahona, sept. 2022.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Ny hatsaran’ny fahanterana

Aleoko manana tarehy izay mampiseho ny ketron’ny fihomehezana sy ny ranomaso.

Sary
renibe mamihina ny zafikeliny vavy

Tsaroako fony aho zaza nijery ny takolaky ny renibeko feno ketronketrona. Nisy soritra nanaraka ny zoron’ny masony, ary nisy soritsoritra kely nandravaka ny molony ambony. Nanontany azy aho hoe ahoana no ahafahako tsy hisy kentrona.

“Aza mitsiky”, hoy izy. “Ary aza mitomany.”

Nanaraka ny toroheviny aho—nandritra ny iray andro. Avy eo aho dia nilavo lefona. Ahoana no ahafahan’ny olona iray miaina tsy mitsiky na mitomany? Nanapa-kevitra aho fa aleoko manana tarehy izay mampiseho ny ketron’ny fihomehezana sy ny ranomaso.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Lehia dia nampianatra an’i Jakôba zanany lahy fa eto amin’ny fiainana an-tany isika mba hahazo fifaliana (jereo ny 2 Nefia 2:25). Nampianatra koa anefa izy fa mba hahalalana ny fifaliana dia tsy maintsy miaina fahoriana isika (jereo ny 2 Nefia 2:22–23). Lasa mahita ny porofon’ny fifaliana sy ny alahelo aho, satria voasokitra eo amin’ny tavan’ireo izay efa ela niainana izany. Ny endrik’izy ireo dia mampiseho ny tantaran’ny fiainany.

Izaho dia miombon-kevitra amin’ilay olona nilaza hoe: “Ireo olona antitra tsara tarehy dia asa-kanto.”1 Ny olona sasany dia mampivelatra toetra aman-taonany izay mahatonga azy ireo ho miavaka. Ohatra, nibanjina ny mason’ireo vehivavy mpiandraikitra ao amin’ny tempoly efa fotsy volo sy nitafy akanjo fotsy aho ary talanjona tamin’ny hazavana tsy mampino izay namirapiratra teo amin’ny mason’izy ireo sy ny famirapiratana teo amin’ny tarehin’izy ireo feno tsiky.

Ankehitriny aho rehefa miha-mahazo taona, dia mianatra fa misy karazana fifaliana tonga miaraka amin’ny fahanterana. Ohatra, lasa mahazo aina kokoa amin’ny vatako aho. Feno fankasitrahana fotsiny aho fa mbola miasa izany! Mety mandeha miadana kokoa aho ary miresaka miadana kokoa noho ny taloha. Lasa vaventy ny feko ary malemilemy kokoa ny sandriko. Saingy tiako ny mieritreritra fa malefaka kokoa ihany koa ny fikasihako.

Fantatro fa mbola afaka mandroso sy mianatra foana aho, fa “na toy inona na toy inona ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18). Koa noho izany dia miandrandra ny lesona mbola azoko ianarana aho. Ankoatra izany, afaka manampy ny hafa aho—tahaka ireo zafikeliko—mba hianatra avy amin’ireo tantara teo amin’ny fiainako izay azoko zaraina amin’izy ireo.

Sary
mpivady miara-mipetraka

Lasibika no nalaina sary

Vao mainka mahay mifanaiky sy mahalala fa mbola afaka miara-mianatra sy mitombo ihany koa izahay mivady. Lasa tsara kokoa ny fanambadianay noho ireo tafiotra niarahanay nisedra. Efa lehibe ny zanakay ka mbetika mampirehareha anay, mbetika mampitebiteby anay. Mitondra fifaliana sy firavoravoana ara-bakiteny ny zafikely.

Ary miaraka amin’ny taona dia tonga ny fahatsiarovan-tena fa ny fiainana an-tany dia tsy maharitra mandrakizay. Izao no fotoana hanaovana ireo zavatra efa nokasaiko hatao hatramin’izay. Raha tsy izao dia rahoviana indray? “Indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany” (Almà 34:32). Enga anie ka rehefa mahazo taona isika dia ho tsapantsika fa izao no fotoana hitenenana ireo teny tsy nolazaina, hanasitranana ny fifandraisana, ary hanatontosana ireo tanjona sisa tavela.

Nony nihalehibe aho dia mieritreritra ny lova izay havelako ho an’ny taranako. Manantena aho fa ny ampahany amin’izany dia ny hoe rehefa niaina fifaliana sy alahelo aho dia nahita fahendrena. Ary noho izany dia nahita hatsarana aho tamin’ny fahanterana.

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Avy amin’i Eleanor Roosevelt; jereo ny A–Z Quotes, azquotes.com.

Hamoaka printy