2022
Mikatsaka fitarihana ara-panahy
Septambra 2022


“Mikatsaka fitarihana ara-panahy,” Liahona, septambra 2022.

Ho an’ny ray aman-dreny

Mikatsaka fitarihana ara-panahy

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Ry ray aman-dreny malala,

Ato amin’ity laharan’ny gazetiboky ity dia Manampahefana Ambony telo no mizara fampianarana sy zavatra niainan’ny tena manokana ary zavatra niainana tao amin’ny fianakaviana momba ny fomba hikatsahana sy hitadiavana ary hanarahana fitarihana ara-panahy.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika

Ao amin’ny pejy 4, ny Loholona Ronald A. Rasband dia mizara tantara iray avy amin’ny tantaram-pianakaviany mba hampianarana ilay fitsipika hoe tsy hahafoy antsika ny Mpamonjy. Vakio ny lahatsorany ary ifanakalozy hevitra ny fomba nianteheran’ireo Olomasina tany am-boalohany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Mila hevitra amin’ny Tompo

Ao amin’ny pejy 30, ny Loholona Patricio M. Giuffra dia manoritsoritra ny fomba nanapahany hevitra hanao asa fitoriana sy hanohy fianarana any amin’ny oniversite, fony izy zatovo niova fo tao amin’ny Fiangonana. Avy eo izy dia mizara ny valin-teniny amin’ilay fanontaniana hoe: Inona no ataonao rehefa mifanipaka amin’ny zavatra eken’ny saina ny fanambarana?

Mandray fitarihana avy amin’ny Fanahy

Ahoana no ahafahantsika mandray tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika? Mandinika io lohahevitra io ao amin’ny pejy 40 ny Loholona José A. Teixeira. Vakio ny lahatsorany ary ifanakalozy hevitra ny fomba hahazoana fitarihana betsaka kokoa avy amin’ny Fanahy.

Avia, hanaraka Ahy Natao hamalifaly ny fianakaviana

Saintsaino ilay lalana

Ohabolana 3–4

  1. Mametraha sarin’ny Mpamonjy eo amin’ny sisiny iray amin’ny faritra malalaka na efitrano malalaka iray.

  2. Mijoroa amin’ny ilany ampitan’ny efitrano. Mifandimbiasa manarona ny mason’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, sy manodikodina azy ireo, ary avy eo jereo raha afaka mandeha manatona ny sarin’i Jesoa Kristy tsy misy fanampiana izy ireo.

  3. Vakio ny Ohabolana 4:26–27.

Fifanakalozan-kevitra: Inona avy ireo karazana fanampiana nomena antsika teto amin’ity fiainana ity mba hitanana antsika amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’i Jesoa Kristy? Raha hanao fifanakalozan-kevitra misimisy koa dia jereo ny Ohabolana 3: 5– 6. Inona no zavatra mila hataontsika mba hatoky ny Tompo amin’ny fontsika manontolo?

Hamoaka printy