2022
Lamina iray hialana amin’ny fahatsapan-tena ho tsy afaka mivoatra
Septambra 2022


“Lamina iray hialana amin’ny fahatsapan-tena ho tsy afaka mivoatra,” Liahona, sept. 2022.

Lamina iray hialana amin’ny fahatsapan-tena ho tsy afaka mivoatra

“Nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona [i Jesoa]” (Lioka 2:52, ary afaka ny ho toy izany koa isika.

Sary
Lehilahy mitazana ny masoandro mody

Sary nalain’i Judith Ann Beck

Mahatsapa tena ho tsy afaka mivoatra

Eo am-piezahana mafy ny hiaina ny filazantsara amin’ny maha-olon-dehibe tokan-tena dia mety ho sarotra ny mifantoka amin’ny lafin-javatra sasany amin’ny fiainantsika izay iriantsika mba ho hafa amin’ny zava-misy. Indraindray dia tsapa ho toy ireny hoe tampina ireny ny fivoarantsika. Ho ahy ireny fahatsapan-tena ho tsy afaka mivoatra amina lafin-javatra sasany ireny dia toa miaka-midina, ary mety maharitra aman’androny, amam-bolana, ary mananika aman-taona mihitsy aza. Nanana antony hifaliana lalandava aho ary tsy nampanahy ahy ny fiainana, saingy nisy fotoana nisy akony ara-pihetseham-po lehibe tamiko io fahatsapan-tena ho tsy afaka mivoatra io.

Nandritra izany fotoana izany dia niangavy ny hanana fotoana hiarahana tamiko ilay zatovolahy kely zanaky ny zokiko lahy. Takany ny filàna fananana tanjona eo amin’ny fiainany ka nangataka torohevitra izy. Tsy voatery hoe nahatsapa ho nanana hery hanomezana azy fahendrena lehibe aho, saingy nohainoiko izy. Fantatro fa afaka “mitalaho” fanampiana amin’ Andriamanitra aho (jereo ny Almà 34:17–27) ka nivavaka mba ho afaka ny hiteny zavatra manan-danja ho azy. Ho valiny dia tsaroako ny Lioka 2:52: “Ary Jesoa nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.”

Rehefa niezaka mafy aho nifantoka tamin’ireo filàn’ilay zana-drahalahiko toy izay tamin’ny ahy, dia nanomboka nisy zavatra niova tao amiko. Izaho sy ilay zana-drahalahiko dia niresaka ny amin’ny fomba nivoaran’i Kristy ara-panahy, ara-piarahamonina, sy ara-batana, ary ara-tsaina ary afaka ny hivoatra toy izany koa izahay. Na dia samihafa tamin’ny an’ilay zana-drahalahiko aza ireo filàko dia nisy nifandraisany taminay roa ireo lafim-pivoarana efatra ireo. Rehefa niresaka momba io soratra masina io dia tonga saina aho fa namaly ireo fanontaniana nananako manokana ny amin’ny fomba hivoarana izany.

Manova ny fifantohako sy mampihatra ny drafitro

Rehefa niezaka mafy ny hivoatra tahaka ny nivoaran’ny Mpamonjy aho dia niova ny zavatra nifantohako ary nitondra fitahiana fanampiny izany fiovana izany. Araka ny nolazain’ny Filoha Russel M. Neslon hoe: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, fa tena mifandray kosa amin’izay ifantohan’ny fiainantsika izany.”1 Ireo ezaka nataoko mba hivoatra ho lasa kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy dia nanampy ahy niala tamin’ireo toe-javatra izay nandany ny fifantohako ka nampitodika izany tamin’ireo lafin-javatra izay nahafahako niasa ka nahitam-pahombiazana. Afaka nanova ho asa ny fikasako ho tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Nosaintsainiko tamin-kitsim-po ny fomba hahafahako hivoatra tamin’ireo lafin-javatra tsirairay voalaza ao amin’ny Lioka 2:52, ka niantomboka tamin’ny fankanesana tsy tapaka kokoa any amin’ny tempoly ka hatramin’ny famitana fifaninanana hazakazaka am-bisikileta lavitrezaka izany.

Sary
Tempolin’i Memphis Tennessee

Sarin’ny tempolin’i Memphis Tennessee nataon’i James Whitney Young

Nisy zavatra tsikaritro tamin’ireo lafin-javatra tsirairay tamin’ireo tanjoko:

  1. Mandritra ny fanatratrarako tanjona iray dia matetika no tsapako i Kristy mampatanjaka ahy ara-panahy, ara-piarahamonina, sy ara-batana ary ara-tsaina ao anatin’izany tanjona iray manokana izany.

  2. Mahalana, raha misy akory aza, ny tanjona iray no hoe tsy misy ifandraisany amin’ny ireo lafim-pivoarana hafa; toa mifandray sy mifameno izy ireo. Ny fivoarana tamin’ny lafim-pivoarana iray dia nitondra ho amin’ny fivoarana tamin’ireo lafim-pivoarana rehetra. Torak’izany koa, ny fanaovana tsirambina lafim-pivoarana iray dia nisy fiantraikany tamin’ireo lafim-pivoarana hafa rehetra. Takatro tamin’izay fa mendrika fifantohana ny lafim-pivoarana tsirairay.

  3. Saika ho ny tanjona rehetra no nahatafidirana olon-kafa, na izany fianarana avy amin’izy ireo na izany fizarana hevitra sy zavatra niainanaamin’izy ireo, ka nampiorim-paka ny fifandraisanay.

Mahita fifaliana sy mizara fifaliana ao amin’i Kristy

Manana fahafahana tsy tapaka aho ny hahita sy entanim-panahy amin’ny fivoarana ao amin’ny hafa ary manantena aho fa afaka ny hanao torak’izany ho azy ireo. Vao haingana aho no niresaka tamina namana tokan-tena iray izay nahatsapa tena ho tsy mivoatra sy sorena amin’ireo toe-java-misy sasany eo amin’ny fiainana. Nihaino tsara aho ka niezaka ny hahatakatra ny zavatra tsapany, ary avy eo aho dia afaka nizara zavatra niainana izay nanampy ahy ary koa naneho ny fomba ifandraisan’ny tsirairay avy amin’ireo lafim-pivoarana amin’ny Mpamonjy.

Na dia tsy niova avokoa aza ireo lafim-pivoarana rehetra izay nahatsapako tena tsy afaka mivoatra taona maro lasa izay, dia niova aho rehefa nianatra ny hifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy sy miezaka mafy ny hivoatra ka ho tonga tahaka Azy. Araka ny nozarain’ny Filoha Nelson hoe: “Maro ny zavatra azontsika fehezina. Mametraka ny laharam-pahamehantsika isika ary mamaritra ny fomba ampiasantsika ny herintsika sy ny fotoantsika ary ny fananantsika. … Isika no misafidy izay hitodihantsika mba hahazoana fahamarinana sy torolalana.”2 Na inona na inona toe-javatra misy antsika, ireo lafim-pivoarana ao amin’ny Lioka 2:52 dia afaka manampy antsika hanova ny zavatra ifantohantsika sy hahita fifaliana bebe kokoa ary hivoatra amin’ny alalan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Monina any Tennessee, Etazonia Amerika ny mpanoratra.

Hamoaka printy