2022
Ny Loholona Ezra Taft Benson mitsidika ireo Olomasina any Pôlônina
Septambra 2022


“Ny Loholona Ezra Taft Benson mitsidika ireo Olomasina any Pôlônina,” Liahona, sept. 2022.

Tantara avy ao amin’ny Olomasina, Boky 3

Ny Loholona Ezra Taft Benson mitsidika ireo Olomasina any Pôlônina

Sary
Ny Loholona Ezra Taft Benson tany Varsovie, Pologne

Teo ambany fanendren’ny Fiadidiana Voalohany no niahian’ny Loholona Benson tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireo ezaka fanampiana nataon’ny Fiangonana tany Eorôpa taorian’ny Ady Lehibe II. Nanao dia nihoatra ny 96.000 km izy nandritra ireo 11 volana naha-tany azy. Ireo aoriany ireo no sisa tavela tamin’i Varsovie, Pôlônina.

Sary nahazoana lalana avy amin’ny Tranom-bokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City

Indray alahady hariva nangatsika tamin’ny fahavaratry ny taona 1946, ny Loholona Ezra Taft Benson sy olona roa mpiray dia taminy dia nandeha fiara nanaraka ny halavan’ireo arabe an’i Zelwagi, Pôlônina izay toa hafahafa mampatahotra. Nanahirana ireto mpivahiny ny arabe mikitaontaona sy ny orana nikija, saingy nisinda nony farany ilay andro ratsy raha nanakaiky ny toerana hizorany ireto lehilahy ireto.

Ampahany tamin’ny Alemana i Zewalgi taloha ary fantatra tamin’ny hoe Selbongen. Niova ireo sisin-tanin’ny firenena taorian’ny ady, kanefa, ny Vondrona Sôvietika no nifehy na nanana fahefana tamin’ny ankabeazan’ny Eorôpa afovoany sy atsinanana. Tamin’ny 1929, ny sampan’i Selbongen izay niroboroboro tokoa no nanorina ny trano fiangonana Olomasin’ny Andro Farany voalohany tany Alemana. Saingy enin-taona taorian’ny ady dia zara raha nisy niainana ireo Olomasina tao amin’ilay tanàna.1

Toy ireny hoe fahagagana ireny mihitsy ny fahatongavan’ny Loholona Benson tany Pôlônina. Noho ny tsy fisian’ny telefaonina an-tariby nandeha tany Pôlônina dia nijaly izy sy ireo mpiara-miasa taminy tamin’ny fifandraisana tamin’ireo manam-pahefana izay afaka nanampy azy ireo hahazo ireo antontan-taratasy nahafahana niditra tao amin’ilay firenena. Taorian’ny vavaka maro sy fifampiresahana imbetsaka tamin’ny fitondram-panjakana Pôlôniana ny apôstôly vao afaka nahazo ireo visas nilaina.2

Rehefa niha-nanakaiky ilay trano fiangonan’i Zelwagi fahiny ilay fiara jeep dia niparitaka sy niafina ny ankabeazan’ireo olona teny amin’ny arabe. Najanon’ny Loholona Benson sy ireo mpiara-dia taminy teo anoloan’ilay trano ny fiara dia nidina ny fiara izy ireo. Nampahafantatra ny tenan’izy ireo tamina ramatoa teo akaiky teo izy ireo ary nanontany raha hitan’izy ireo ny misy ilay trano fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Diboky ny ranomaso maneho fanamaivanana ny mason’ilay vehivavy. “Tonga aty amintsika ireo rahalahy!” hoy izy nihiaka tamin’ny fiteny Alemana.

Tamy faingana avy tany ambadik’ireo varavarana nihidy ny olona, nitomany sady nihomehy tamim-pifaliana. Telo taona ireo Olomasina tany Zelwagi no tsy nifandray tamin’ireo manam-pahefana ambony mpitarika tao amin’ny Fiangonana, ary tamin’izany maraina izany dia maro tamin’izy ireo no nifady hanina sy nivavaka ho an’ny fitsidihana misiônera na mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Tao anatin’ny ora vitsy monja dia Olomasina aman-jatony no tafangona mba hihaino ny tenin’ny apôstôly.

Raha iny niresaka tamin’ireo Olomasina iny ny Loholona Benson dia nisy miaramila Pôlôniana roa nitam-piadiana niditra ilay trano fiangonana. Tsy nahahetsika noho ny tahotra ireo mpivavaka saingy ny apôstôly kosa dia nanasa ireto miaramila haka toerana teny akaikin’ny seza aloha tao amin’ilay trano. Nandritra ny lahateniny dia nanantitrantitra ny lanjan’ny fahafahana sy ny fahalalahana izy. Nihaino tsara ireto miaramila ary nijanona teo amin’ny toerany mandra-pahatapitry ny hira famaranana, ka nandao tsy nisy olana. Avy eo ny Loholona Benson dia nihaona tamin’ny filohan’ny sampana sy namela sakafo sy vola ho an’ireo Olomasina, nanome toky azy ireo fa hisy fanampiana fanampiny ho avy.3

Fotoana fohy taorian’izay dia nanoratra ho an’ny Fiadidiana Voalohany ny Loholona Benson. Nahazo hery izy nahita ny fanampian’ny Fiangonana tonga tany amin’ireo Olomasina tany Eorôpa saingy nanahy ny amin’ireo fahasarotana mbola natrehan’ireo Olomasina.

“Mety tsy ho fantatra na oviana na oviana ny amin’ny maro amin’ireo tombontsoa avy amin’ny fandaharan’asa fifanampiana ataon’ny Fiangonana,” hoy izy nanoratra, “saingy tsy azo isalasalana fa ain’olona maro no avotra, ary ny finoana sy ny herim-pon’ny maro tamin’ireo mpikambana mahatoky dia nankaherezina tokoa.”4

Sary
Olona mivory ivelan’ny fiangonana

Mpikambana tany Selbongen, Alemana (izay nomena ny anarana hoe Zelwagi, Pôlônina, taorian’ny ady), miangona eo ivelan’ny trano fiangonan’izy ireo tany ho any tamin’ny taona 1930 tany.

Fanamarihana

  1. Ezra Taft Benson, “European Mission Report #19 [Tatitra momba ny iraka tany eorôpa],” Aug. 7, 1946, 1, 3, antontan-taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, CHL; Benson, Journal [diary], 1 sy 4 aog., 1946; Babbel, tafatafa momba ny lovantsofina, 6; “Elder Benson Reports First Visit to Poland,” Deseret News, Aug. 17, 1946, faritra miresaka momba ny Fiangonana, 1, 8, 12; Minert, In Harm’s Way, 310; “Selbongen during World War II [Selbongen nandritra ny Ady Lehibe II],” Global Histories , history.ChurchofJesusChrist.org/global-histories.

  2. Babbel, On Wings of Faith, 131–34; Benson, Journal [diary], 29 sy 30 jolay, 1946; 1 sy 4 aog., 1946; jereo koa ny Frederick Babbel, “‘And None Shall Stay Them,’” Instructor, Aug. 1969, 104:268–69. Lohahevitra: Pôlônina

  3. Benson, Journal [diary], 4 aog., 1946; Ezra Taft Benson, “European Mission Report #19,” Aug. 7, 1946, 1, antontan-taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, CHL; taratasy nalefan’i Ezra Taft Benson ho an’ny Fiadidiana Voalohany, 7 aog., 1946, 2, antontan-taratasy misy ireo taratasim-pifandraisana an’i Ezra Taft Benson, CHL; Selbongen Branch, General Minutes, Aug. 4, 1896; “Selbongen during World War II,” Global Histories, history.ChurchofJesusChrist.org/global-histories.

  4. Ezra Taft Benson, “European Mission Report #20,” Aug. 24, 1946, 2, antontan-taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, CHL; jereo koa ny “Red Cross to Cooperate in Distribution of Supplies,” Deseret News, Sept. 7, 1946, Church section, 1, 9.

Hamoaka printy