2022
Moa ve izaho irery no hany tanora tokan-tena na mpivady vao herotrerony sahirana amin’ny fitadiavana ny tanjoko?
Septambra 2022


“Moa ve izaho irery no hany tanora tokan-tena na mpivady vao herotrerony sahirana amin’ny fitadiavana ny tanjoko?,” Liahona, sept. 2022.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Moa ve izaho irery no hany tanora tokan-tena na mpivady vao herotrerony sahirana amin’ny fitadiavana ny tanjoko?

Tsapako ho toy ny nanimba ilay drafitra aho—ny drafitra ho an’ny tenako, sy ny drafitr’ Andriamanitra ho ahy.

Sary
vehivavy tanora mianika sakana

Nanadio ny efitrano fatoriako aho tamin’ny andro faha-25 taonako. Tsy nilamina ilay efitrano fatoriako, ary nieritreritra foana aho hoe tsy nilamina koa ny fiainako. Tsy teo amin’izay noheveriko fa hisy ahy amin’ny faha-25 taonako aho. Tsy teo amin’izay tokony ho nisy ahy aho.

Nieritreritra ny zavatra tsapako fony aho zatovo aho rehefa nahazo ny tsodranon’ny patriarika. Isaky ny namaky momba ny hoaviko aho dia naka sary an-tsaina olona iray izay saika tonga lafatra. Tsapako anefa fa tsy nihalehibe ho toy ilay olona neritreretiko aho. Dia nanontany tena aho hoe, raha toa ka afaka mahita ahy amin’izao ny tenako tamin’ny mbola kely dia ho diso fanantenana ve izy?

Tampoka teo dia nilatsaka ny ranomasoko. Tsapako ho toy ny nanimba ny drafitry ny fiainako aho. Tsy nanao fahadisoana lehibe aho, fa nahatsapa ho toy ny tsy nanana na inona na inona haseho teo amin’ny fiainako. Tsy nanana tanjona aho. Ny an’ny olon-drehetra dia nilamina ny zava-drehetra, ary izaho dia teo, nitomany teo amin’ny gorodona tao amin’ny efitrano fatoriako, nahatsapa ho toy ny hoe very maina ny fiainako manontolo.

Nahatsiaro ho irery tao anatin’ny fisafotofotoana sy ny famoizam-poko aho. Saingy na dia tamin’izany fotoana izany aza dia fantatro fa tsy izaho irery no hany tanora sahirana mitady ny lalany. Rehefa niresaka tamin’ny hafa aho, dia hitako fa vitsy dia vitsy ny fiainan’ny olona nizotra araka izay nokasainy. Ary izany dia manampy ahy tsy ho irery.

Manampy ahy koa izany mampahatsiahy ny tenako fa tsy tian’ny Ray any An-danitra ny hahatsapako toy ny hoe tsy mahomby. Tiany aho “[h]ibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny fanana[na] fanantenana mamirapiratra sy lavorary” (2 Nefia 31:20). Mino ny fahafahako hiova sy hitombo amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy Izy. I Satana ihany no maniry ny hilazako amin’ny tenako fa very ny fahafahako ho tonga ilay olona izay fantatry ny Ray any An-danitra fa afaka hahatongavako.

Mahatakatra ny drafitry ny fahasambarana

Maro amintsika no mahatsiaro ho very fanantenana amin’ny hoavy indraindray. Ary izany dia mety ho noho ny tsy fahatakarantsika ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra. Angamba isika mihevitra ny fiainantsika ho toy ny jeux vidéo—fizotry ny tantara raikitra iray tsy maintsy arahintsika mba hahazoana fandresena. Saingy tsy toy izany no izy. Manao safidy, sy miova ary mitombo isan’andro isika. Tsy misy zavatra tsy miova na raikitra ny amin’izany. Tsy hahagaga ny Ray any An-danitra na oviana na oviana ny safidy ataontsika, fa mbola safidintsika ihany izany. Manoratra ny tantarantsika manokana isika, miaraka Aminy, rehefa mandroso.

Ary raha “[havelantsika] i Kristy no mpanoratra sy mpanefa ny tantaran[tsika],”1 dia afaka miandrandra amim-pahatokiana hatrany ny fiafarana feno fifaliana mandrakizay isika.

Indraindray isika dia manao fahadisoana na very lalana, ka mamela ny tenantsika hirenireny tsy misy tanjona mandrakizay.

Saingy filazantsaran’ny fanantenana ity. Filazantsaran’ny zavatra very ka hita indray. Filazantsaran’ny fianarana ity. Filazantsaran’ny famelan-keloka. Filazantsaran’ny fanandramana indray. Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ny fibebahana dia tsy ny drafitra solony; fa ilay tena drafitra kosa.”2

Tonga lafatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika, ary tonga lafatra koa ny drafiny ho antsika. Drafitra lavorary ho an’ny olona tsy lavorary izy io, natao tamim-pitandremana sy fahatakarana ny filantsika sy ny fahafahantsika. Misy toerana ao amin’ny drafiny ho an’ny fahadisoantsika—ireo tena fahadisoantsika sy ireo fahotantsika izay sarotra ny miala aminy ary ny firenireniavantsika any an-tany foana. Ary misy toerana ho an’ny fandresena ao amin’ny drafiny, izay azontsika antoka isaky ny mibanjina Azy sy manandrana indray isika.

Mitady ny tanjonao

Nandany fotoana be aho hatramin’io fitsingerenan’ny andro nahaterahana io nieritreritra momba ny tanjoko. Mbola tsy nazava tamiko ny zava-drehetra. Saingy tsy mahatsiaro tena ho feno fanahiana intsony aho. Fantatro fa mahafantatra ahy Andriamanitra ary raha mitodika any Aminy aho dia hanampy ahy Izy hampisy lanjany ny toerana misy ahy ankehitriny.

Angamba hisy olona indray andro any hahita fanefitry ny homamiadana na hampitsahatra ny hanoanana eran-tany na hampisy ny fandriampahalemana eran-tany. Saingy misy olona anio hampionona namana iray izay ory na hanampy vahiny iray misedra olana na vao sambany hivavaka tao anatin’ny taona maro. Ary heveriko fa midika zavatra izany rehetra izany—dia ny zava-drehetra mihitsy aza.

Raha ny marina, ny ankamaroantsika dia tsy hanao zavatra be voninahitra sy goavana be eto amin’ity fiainana ity. Saingy tsy midika izany fa tsy manana tanjona isika. Ny tanjontsika faratampony amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia ny ho tonga tahaka Azy. Ary mitombo ao anatin’izany tanjona izany isika rehefa manao zavatra kely isan’andro mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

Lasa nankamamy ilay fampianaran’ny filazantsara toy izao aho: “amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe” (Almà 37:6). Rehefa manao jery todika ny fiainako aho dia tsy mahita zavatra goavana. Saingy mahita zavatra “madinika sy tsotra” maro izay nitondra fiovana lehibe aho. Ary fantatro amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy fa ny ezaka kely ataoko amim-pinoana dia manokatra ny lalako ho tonga tahaka Azy.

Tsy hisy lalan’olona tena hitovy tanteraka amin’ny lalanao. Fa raha miezaka manao izay tratry ny herinao ianao mba hanatona an’i Kristy, dia tsara ny lalanao. Mino anao ilay Mpahary Tsitoha, koa mijoroa ary minoa ny tenanao. Manana zava-mahagaga miandry anao Andriamanitra, ary na dia mahatsiaro ho kely sy tsotra aza ianao, Izy dia “hanampy anao ho lasa hanan-danja kokoa mihoatra noho izay noheverinao hatramin’izay.”3

Fanamarihana

  1. Camille N. Johnson, “Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao,” Liahona, nôv. 2021, 82.

  2. Neil L. Andersen, ao amin’ny asa soratr’i Sarah Jane Weaver, “Repentance Is Not a Backup Plan; It Is the Plan, Says Elder Andersen [Nilaza ny Loholona Andersen fa ny fibebahana dia tsy drafitra solony; fa ilay tena drafitra kosa]” (lahatsoratra amin’ny fampahalalam-baovao), 3 jolay , 2018, ChurchofJesusChrist.org.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 23.

Hamoaka printy