2022
Andramo fotsiny indray
Septambra 2022


“Andramo fotsiny indray,” Liahona, sept. 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Andramo fotsiny indray

Repotra tamin’ny fanaovana zavatra tsara aho saingy niharatsy ny fifandraisako tamin’ny Tompo noho izaho nanao an-tsirambina ny zavatra manan-danja kokoa.

Sary
Boky soratra masina misokatra

Rehefa nahavita ny misiônako aho tamin’ny janoary 2019 dia azoko antoka hoe ho mora amiko ny handalina ny soratra masina isan’andro. Marina izany tany am-boalohany. Rehefa avy miasa aho dia mandeha mody ary mamaky tsy tapaka ny soratra masina. Faly aho fa mbola nazoto namaky soratra masina sy nianatra momba ny Mpamonjy.

Niova izany tamin’ny jona 2019 rehefa niverina avy tany amin’ny misiônany ny olon-tiako. Nanomboka niaraka avy hatrany izahay ary natao fifamofoana enina herinandro taorian’izay.

Teo anivon’ny fisomebisebena tamin’ny fanomanana ny fanambadiana, ny asa, sy ny fianarana any amin’ny anjery manontolo, ary ny fotoana iarahana tamin’ilay fofom-badiko dia tsy ela akory dia nihena ho fotoana vitsy isan-kerinandro ny fandalinako soratra masina. Noho izaho variana tamina zavatra tsara dia nataoko tsirambina tsy nahy ny fifandraisako tamin’ny Tompo.

Nivady izahay tamin’ny nôvambra 2019. Taorian’ny fialan-tsasatra dia niezaka niverina namaky indray ny soratra masina teo amin’ny nijanonako aho. Nandritra ny volana vitsivitsy dia nahomby izahay mivady tamin’ny fiarahana nandalina ny soratra masina. Mamaky soratra masina izahay mandritra ny minitra vitsivitsy isa-maraina ary mifanakalo hevitra momba ny lesona iray ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy mialoha ny hivoahanay ny trano handeha hiasa na hianatra.

Avy eo dia namely ny valanaretina COVID-19. Tsy nisy fandaharam-potoana raikitra ho an’ny fandehanana mianatra sy ny asa koa dia very ny fahazaranay mandalina soratra masina isa-maraina. Tsindraindray ihany izahay vao mandalina ary niharatsy ny fifandraisanay tamin’ny Tompo. Eny fa na dia tsy nisy intsony aza ireo famerana ary niverina nankany am-piangonana izahay, dia mbola nananosarotra ho anay ihany ny fandalinana.

Matetika ireo mpikamban’ny Fiangonana no mandalo fotoan-tsarotra amin’ny famakiana tsy tapaka ny soratra masiny. Repotra ny fiainantsika ary miatrika olana isan’andro isika. Kanefa tsy mbola tara mihitsy izao raha hanomboka indray.

“Tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana ao anatin’ny fivoarantsika mandrakizay izao,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. Kanefa nampiany hoe: “afaka hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika rehetra.”1

Vao haingana izahay mivady no namerina nanolo-tena ny hamaky ny soratra masinay indray. Mbola tsy lavorary ny fanaovanay izany, kanefa miezaka isan’andro izahay hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananay. Feno fankasitrahana aho amin’ireo fahafahana maro omen’ny Tompo antsika mba hibebahana sy ho lasa hihamadio.

Hamoaka printy