2022
Lamina mahery vaika ho an’ny fanabeazan-janaka
Septambra 2022


“Lamina mahery vaika ho an’ny fanabeazan-janaka,” Liahona, sept. 2022.

Lamina mahery vaika ho an’ny fanabeazan-janaka

Ity lamina ho an’ny fanabeazan-janaka ity, izay mifototra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fikarohana manohana izany, dia afaka manampy anao hamorona fifandraisana manan-danja, sy hikolokolo finoana sy fivoarana, ary hanorina firaisan-kina sy fahatanjahana eo anivon’ny fianakavianao.

Sary
raim-pianakaviana mamaky soratra masina miaraka amin’ny zanany vavy

Manana tanjona mandrakizay ny maha-ray na reny ary afaka ny hitondra fahafaham-po, sy fahazavana ary fifaliana. Koa satria samy hafa avokoa ny fianakaviana rehetra ary miatrika olana ho azy manokana tsy mitovy amin’ny an’ny hafa dia mety ho mitambesatra sy mamizaka ihany koa ny fanabeazan-janaka indraindray.

Soa ihany anefa fa tsy irery isika amin’izany fanabeazan-janaka izany.

Miaraka amin’ny fitarihan’ny Raintsika any An-danitra, sy ny fanohanan’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, ary ny fampiharana ombam-bavaka ny torohevitra nentanim-panahy dia afaka mahazo fanampiana sy fanantenana isika eo amin’ny diantsika amin’ny fanabeazan-janaka.

Lamina ho an’ny fanabeazan-janaka tohanan’ny filazantsara

Izahay dia nahita fitsipika fitarika telo ho an’ny fanolokoloana ny fivoarana ara-pihetseham-po sy ara-panahin’ny zaza ka manovo avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy fikarohana manohana ny fanabeazan-janaka izahay amin’izany. Rehefa atambatra dia manome lamina iray mahery vaika izay afaka manampy ny fianakaviana maneran-tany ireo lafin-javatra mifaningotra ireo.

Mahery vaika io lamina io noho izy mitambatra amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy ireo fotokevitra fototra avy amina fikarohana momba ny fanabeazan-janaka sy ny ankizy. Ny fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana ny amin’ny fomba hampiharana ireo fitsipika ao anatin’ity lamina ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny tanjaky ny fianakavianao sy hanangana tokantrano manana an’i Jesoa Kristy ho ivony.

Ireto avy ireo fitsipika fitarika telo:

  1. Mamorona fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny mpianakavy

  2. Mikolokolo fianarana sy fivoarana

  3. Manorina firaisan-kina sy tanjaka amin’ny alalan’ny asa fanompoana

Io lamina io dia manampy antsika hifantoka amin’ireo zavatra tena manan-danja. Ny ampahany tsirairay avy amin’ilay lamina dia singa manan-danja izay manamafy orina ny fianakaviantsika. Rehefa miara-miasa ireo dia mandrisika ny fisian’ny fifandraisana sy traikefa tsara, manampy ny fianakaviantsika hahay hiatrika fahoriana, ary manorina fahaiza-manao sy tanjaka.

Eo amin’ny fivoarantsika amin’ny maha-ray aman-dreny antsika, ity lamina ity dia azo ampiasaina ho toy ny rafitra manampy amin’ny famantarana ny fomba tsara indrindra hampianarana sy hikolokoloana ny zanaka tsirairay.

Ito ambany ito misy topimaso fohy ny amin’ny ampahany tsirairay avy amin’ilay lamina ary ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy mba hitarika antsika amin’ny fampiharana io lamina io eo amin’ny fiainantsika. Misy fampahalalana misimisy kokoa sy torohevitra mahomby ary valim-panontaniana ho an’ireo fanontaniana apetraka matetika momba ny fanabeazan-janaka ao amin’ny family.ChurchofJesusChrist.org.

1. Mamorona fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny mpianakavy

Ity fitsipika ity dia mampahatsiahy antsika mba hanao lohalaharana ny fifandraisana feno fitiavana amin’ny Raintsika any An-danitra, ny Mpamponjy, sy ny vadintsika, ary ireo zanatsika. Saropady ireo fifandraisan’ny mpianakavy ireo. Ny maha-izy mandrakizain’ireo zanatsika sy ireo fifandraisana arahin’izy ireo dia miainga avy amin’ilay fahamarinana fototra fa “ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”1

Azontsika atao ny mamporisika azy ireo mba hahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana, vavaka, fandalinana soratra masina, ary ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 17:3). Afaka mandrisika ny fisian’ny finoana isika amin’ny alalan’ny fanolokoloana ny “[faniriana] ny hino” ao amin’ireo zanatsika (Almà 32:27) sy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Manan-danja ho an’ireo zanatsika ny mahalala fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia mahatakatra tanteraka azy ireo, sy tia tanteraka azy ireo, ary te hanampy azy ireo mba hahomby (jereo ny Romana 8:38–39).2

Amin’ny maha-ray aman-dreny dia zava-dehibe ny mamorona fifandraisana feno fitiavana izay heniky ny hatsaram-panahy sy fiombonam-pihetseham-po. Ny fahatakarana ny fomba fijerin’ireo zanatsika sy ny fihainoana ny zavatra lazain’izy ireo amim-panajana dia manorina fifandraisana ahatsapan-tena ho voaro sy tiana. Mila mahafantatra ireo zanatsika fa liana amin’izy ireo, sy miraharaha ny zavatra tsapan’izy ireo, ary eo mba hanampy azy ireo isika. Ny fifaneraserantsika feno firaharahiana amin’ireo zanatsika dia manampy azy ireo hanana fijery tsara momba ny tenan’izy ireo, hamantatra ny lanjan’izy ireo mandrakizay, ary hanorina fifandraisam-pitokisana amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Ankoatra izany, ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka ny ho fanohanana lehibe tokoa ho an’ny tsirairay avy. Afaka mampiroborobo ny fifandraisan’ny mpianakavy isika rehefa miara-mivory mba hifandray, hivavaka, hifampaka hevitra, ary hiala voly.

Mibanjina an’i Kristy

I Jesoa Kristy dia mizara ny fitiavany, amin’ny tsirairay, amin’ny alalan’ny fifandraisana iray izay manome firaisam-po, sy fanantenana, ary fanasitranana. Rehefa avy niresaka tamin’ireo Nefita ny Mpamonjy dia nanampy tamim-pangorahana sy nanompo mivantana mba hanasitrana sy hitsodrano ny olona tsirairay. “Ary nalainy tsirairay [tamim-pitiavana] ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.” (3 Nefia 17:21).

Amin’ny maha-ray na reny, ianao dia afaka ny mitahy ny zanakao amin’ny alalan’ny famoronana fifandraisana feno fitiavana amin’izy ireo, dia fifandraisana manan-danja iray isaky ny mandeha.

Hevitra ho an’ny famoronana fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny mpianakavy

  • Mifandraisa amin’ny zanakao amin’ny fihainoana tsara azy ireo, famaliana amim-pitiavana, ary fanarahana ireo famantarana asehon’izy ireo mba hanomezana izay zavatra ilain’izy ireo.

  • Kolokoloy ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary amporisiho ny vavaka sy fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana mba hanamafisana orina ireo fifandraisana masina ireo.

  • Karakarao ny tenanao sy ny fanambadianao. Izany dia hanampy anao hifandray tsaratsara kokoa amin’ireo zanakao sy hiara-hanabe amin’ny vadinao ao anatin’ny firaisan-kina sy fitiavana, amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta anareo. Raha tokan-tena ianao dia tariho amim-pinoana sy amim-pahatokisan-tena ny fianakavianao. Mikatsaha fanampiana fanampiny avy amin’ireo olona atokisanao.

  • Ampitomboy ny fahatsapan-tena ho voaro, sy ny firaisam-po ary ny fifaliana ao an-tokantranonao.

2. Mikolokolo fianarana sy fivoarana

Sary
ray aman-dreny miresaka amin’ny zanakavavin’izy ireo

Kolokoloy ny fivoaran’ireo zanakao amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny maha-izy azy ireo manokana, fanomezana azy ireo fitiavana tsy mety lefy, ary amin’ny alalan’ny fanohanana ireo ezaka ataon’izy ireo. Fantaro hoe aiza ho aiza ireo zanakao eo amin’ny fivoaran’izy ireo ary ampifanaraho mba hifanentana amin’ireo filan’izy ireo manokana ny fanohananao. Ny ohatra asehonao, ny fampianaranao, ny torolalana omenao, ary ny fankaherezana avy aminao dia iankinan’ny fikolokoloana ny fahaiza-manao sy ny fahatokisan-tenan’ireo zanakao. Aoka ianao hanana fahalianana sy hangoraka satria ny zanakao dia mianatra amin’ny alalan’ny fiainana zavatra.

Ireo ray aman-dreny mahay mikolokolo ihany koa dia misoroka ny fitakiana zavatra sarotra be loatra, na manarana be loatra, na manome fahafahana be loatra. Ny fanomezana fetra araka ny tokony ho izy, fahazarana tsy tapaka sy zavatra andrasana voalanjalanja dia hanome vahana ny fivoaran’ny zanakao. Tahaka ny Raintsika any An-danitra, ireo ray aman-dreny dia tokony hifantoka kokoa amin’ny fanamorana ny fivoaran’ny zanany toy izay zavatra manala fahasahiranana azy ireo (jereo ny 2 Nefia 28:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24, 40).

Tariho sy toroy lalana ary miaraha dia amin’ny zanakao eo am-pianaran’izy ireo manaraka an’i Jesoa Kristy.3 Ampianaro azy ireo ny fomba iverenana amin’ny Mpamonjy sy ianteherana amin’ny Sorompanavotany mba hanampiana azy ireo hivoatra. Ho fantatry ny zanakao amin’ny alalan’ny ohatra asehonao sy ireo zavatra iainany manokana fa izy ireo dia “mahay manao ny zavatra rehetra [amin’ny alalan’i Kristy],” izay mamela heloka sy mampatanjaka azy ireo (Filipiana 4:13). Ny fivoarana sy ny fiovana dia mety ho sarotra sy hitaky fanazaran-tena be dia be tokoa. Ireo ray aman-dreny mandala ny fahamarinana sy manao zavatra amin’ny nahim-po dia tsy vitan’ny hoe miezaka mafy ny mampianatra ny zanany ny fomba “[handehanana] amin’ny lalan’ny marina” (Môzià 4:15) fotsiny ihany fa miezaka mafy ny mampianatra azy ireo ny antony tokony hanaovany izany ihany koa. Kolokoloy ny zavatra takatr’izy ireo ary tohano ny fampiasan’izy ireo amim-pahamarinana ny fahafahan’izy ireo misafidy eo amin’ny dingana tsirairay ataon’izy ireo.

Mibanjina an’i Kristy

Manome vahana ny fivoaranao i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fijerena ireo faniriana marina ao am-ponao sy ny fanampiana anao hahatontosa azy ireo (jereo ny 1 Samoela 16:7; Enôsa 1:12). Ny Tompo dia nanontany ireo mpianany “tsirairay … hoe: Inona no irianareo Amiko?” (3 Nefia 28:1; jereo koa ny 1 Nefia 11:1–3). Ny fandinihana io fanontaniana io dia afaka manampy anao hamantatra sy hampivelatra izay zavatra manan-danja indrindra aminao. Diniho ny fomba nikolokoloan’ny Mpamonjy fianarana sy fivoarana tao amin’ny rahalahin’i Jareda tamin’ny alalan’ny fanajana ny fahafahany misafidy tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Inona no tianao hataoko?” (Etera 2:23). Nanohana azy ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanomezana azy torolalalana voafaritra tsara, rehefa nilaina izany, kanefa ihany koa tamin’ny alalan’ny famporisihana azy hitady vahaolana irery. Ny Mpamonjy dia tsy manery na mifehifehy anao fa mampianatra sy mandresy lahatra anao kosa mba hampiasa ho amin’ny tsara ny fahafahanao misafidy manokana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28).

Amporisiho ny fivoaran’ny zanakao amin’ny alalan’ny fanohanana ireo faniriana tsara ao am-pon’izy ireo; fanontaniana ahafantaran-javatra iray isaky ny mandeha.

Hevitra ho an’ny fikolokoloana fianarana sy fivoarana

  • Tariho hankamin’i Jesoa Kristy ireo zanakao ary ampianaro azy ireo ny fomba hisintomana ny herin’ny Sorompanavotany.

  • Alaivo tahaka i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanomezana fitiavana, fitarihana, sy fanohanana, ary fanehoana fangorahana eo am-pianaran’ireo zanakao ny manaraka Azy.

  • Kolokoloy ny fivoarana amin’ny alalan’ny fanohanana ny fahatakarana, ny fahaiza-manao, sy ny fahafahana misafidy ary ny fahatokian-tenan’ny zanakao.

  • Manatòna an’i Kristy amin’ny alalan’ny fianarana ny filazantsarany sy ny fizarana miara-miaina izany eo am-pivoaranareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

3. Manorina firaisan-kina sy tanjaka amin’ny alalan’ny asa fanompoana

Sary
fianakaviana mitondra sakafo ho ana fianakaviana iray hafa

Nampianatra ireo mpianany i Jesoa Kristy ny mba “hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny fitiavako anareo” (Jaona 13:34). Rehefa mifankahery, sy mifanohana, ary mifanompo ianareo dia manely ny fitiavana madion’i Kristy ianareo ary lasa tahaka Azy kokoa. Andriamanitra ihany koa dia manome fahafahana ho an’ireo zanany mba hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asany sy ny fanatanterahana ireo fampanantenana nataon’izy ireo ny mba hifanompo (jereo ny Mosesy 1:39; Môzià 18:7–11). Ny fizarana ny fitiavan’i Kristy sy ny fizarana ny hazavany dia manova azy ireo sy izay tompon’izy ireo.

Ny fianakavianao ihany koa dia mandray tombontsoa avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana iray, toerana izay ahafahan’ireo zanakao manome sy mandray fitiavana sy fanohanana. Ny manana ny fonareo mifamihina “ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na eo aminareo samy ianareo]” (Môzià 18:21) dia mandrary tranonkalam-pifandraisana misy fanohanana sy zavatra iainana tsara izay manamafy orina ny fianakavianareo. Rehefa mifanompo amin’ny fitiavana mitovy amin’ny an’i Kristy ianareo dia afaka manampy amin’ny fananganana an’i Ziona ao amin’ny fianakavianareo sy eo amin’ny fiarahamonina manontolo (jereo ny Mosesy 7:18).

Ampianaro ireo zanakao fa ny asa fanompoana dia afaka ny ho fanao isan’andro fa tsy atrikasa mitokana. Ny fiezahana hifanompo dia hanampy ireo zanakao sy ireo zatovo hahita fiainana mitondra vokatsoa kokoa rehefa mijery ny filan’ny hafa izy ireo ankoatra ny filan’izy ireo. Mahagaga fa ny fananganana an’i Ziona dia manorina vahoaka manana ny toetran’i Ziona.

Mibanjina an’i Kristy

Nanasa antsika tsirairay avy ny Mpamonjy mba hifankatia sy hifanompo (jereo ny Jaona 13:34–35). Ny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena izay an’ny Raintsika any An-danitra dia mampatanjaka sy manova antsika. Ny “[fanaovana] ny raharahan’ny Rai[ny]” (Lioka 2:49) dia tafiditra tao anatin’ny fivoarana niainan’i Jesoa tamin’ny naha-zatovo Azy satria Izy dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52).

Mirotsaka amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fikarakarana ireo sahirana, sy ny fanasana ny rehetra mba handray ny filazantsara, ary ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay.4

Kolokoloy ny fivoaran’ireo zanakao amin’ny alalan’ny fampiraisana azy ireo ao anatin’ny “asa lehibe” an’ Andriamanitra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33)—asa fanompoana feno fitiavana iray isaky ny mandeha.

Hevitra ho an’ny fanorenana firaisan-kina sy tanjaka amin’ny alalan’ny asa fanompoana

  • Asehoy ny fitiavanareo an’ Andriamanitra ary fantaro tsara kokoa Izy amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana ireo zanany.

  • Mifankatiava amin’ny alalan’ny fanompoana ireo manodidina anao sy ny fikarakarana ireo sahirana.

  • Angony i Isiraely amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana, sy ny fanompoana any amin’ny tempoly, ary ny fanampiana ny hafa hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

  • Manorena firaisan-kina sy tanjaka iraisana amin’ny alalan’ny fanomezana fitiavana sy ny fanorenana firaisam-po, ary ny fifanohanana.

Mampihatra ilay lamina ao an-tokantranonao

Ireo fitsipika fitarika ireo dia afaka manampy anao hifantoka amin’ny fanabeazan-janaka isan’andro. Ohatra, anio ianao dia mety hisaintsaina ny fomba ahafahanao minia manorina fifandraisana feno fitiavana kokoa , mikolokolo fianarana, na mampatanjaka ny hafa. Ny fampiharana io lamina io dia afaka manatsara ny fianarana ny filazantsara, mikolokolo ny fivoaran’ny tena manokan’ny zanakao, ary mamporisika fifantohana amin’ny fanehoana ivelany ny hazavana anaty izay hanandratra sy hitahy ny fianakavianao. Ny fampiharana ireo fitsipika ireo dia afaka ihany koa ny hanatsara ny fampiasanao ireo loharanom-pitoavana an’ny Fiangonana izay mifototra amin’ny ao an-tokantrano tahaka ny Avia, hanaraka Ahy sy ny fandaharanasa Ankizy sy Zatovo.

Misy fomba maro hampiharana ireo fitsipika ao amin’ity lamina ity. Aoka ianao hahay hampifanaraka amin’izay zava-misy ka hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mba hampifanarahana azy ireo amin’ny filan’ny fianakavianao. Ilay lamina “mamorona, mikolokolo, manorina” dia tsy voatery miompana amin’ny hoe manao zavatra betsaka kokoa. Na dia mety hisy zavatra aza anefa tsapanao fa itaoman’ny Fanahy anao mba hampiana amin’izay zavatra ataonao amin’izao fotoana izao, ilay lamina dia natao hanampy anao hahazo tombontsoa faran’izay betsaka indrindra avy amin’ny fotoana iarahanareo.

Rehefa manao izay zavatra mba hamoronana fifandraisana feno fitiavana, fikolokoloana fianarana sy fivoarana, na hanorenana firaisan-kina sy tanjaka amin’ny alalan’ny asa fanompoana ianao, dia mandatsaka fototra mafy orina ho an’ny zava-drehetra ataonao ao an-tokantranonao ianao izay.

Ireo ray aman-dreny tsara dia azo ianteherana, nefa tsy tongalafatra

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy voatery ho tongalafatra vao ho ray na reny tsara. Fa katsaho kosa ny ho loharanom-pitiavana sy loharanom-panohanana azo antoka ho an’ireo zanakao. Ny mifandray tsotra amin’ny zanakao amin’ny fomba madinika dia afaka ny hanova zavatra be.

Rehefa toa mahaketraka ny fanabeazan-janaka dia tsarovy ny maka aina, sy tsy manome tsiny be loatra ny tenanao, ary ny manohy miezaka hatrany. Afaka mibosesika mandroso amim-pinoana ianao omban’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia miraharaha tokoa ny momba anao sy ireo zanakao ary hampitombo ireo ezaka amin-kitsim-po ataonao sy ireo faniriana marina anananao.

Fanantenana ao amin’i Kristy

Rehefa miezaka mafy ianao mba tsy ho voahozongozona amin’ny fanaovana izay rehetra azonao atao mba hitiavana sy hikolokoloana ary hampatanjahana ny ankizy tsirairay, dia afaka manana fanantenana ao amin’i Kristy ianao sy ny fianakavianao noho ny fampanantenany mandrakizay aminareo manao hoe: “Aza matahotra rankizy madinika, fa Ahy ianareo, ary Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41).

Hamoaka printy