2022
Inona no ampianarin’ny asasoratr’i Isaia ahy momba an’i Jesoa Kristy?
Septambra 2022


“Inona no ampianarin’ny asa soratr’i Isaia ahy momba an’i Jesoa Kristy?,” Liahona, sept. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Isaia 13–14; 24–30; 35

Inona no ampianarin’ny asasoratr’i Isaia ahy momba an’i Jesoa Kristy?

Sary
fanehoana an’i Jesosy Kristy avy amin’ny horonan-tsary ara-baiboly

Nosoratana 2.700 taona lasa teo ho eo, ny tenin’i Isaia dia mety ho toa manahiran-tsaina na mampisafotofoto antsika indraindray. Kanefa, ny famakiana ny bokin’i Isaia dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahantsika mianatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Nanonona ny tenin’i Isaia i Nefia mba “hahazoa[ny] mandresy lahatra tanteraka [ireo Nefita] ka hinoany ny Tompo Mpanavotra azy ireo” (1 Nefia 19:23). Mba hahatakarana tsara kokoa an’i Isaia dia ezaho ny hampifantoka ny fandalinanao amin’ny fampianaran’i Isaia momba ny Mpamonjy.

Tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ireo toko ireo ianao:

  • Ahoana no anehoan’i Eliakima an’i Jesoa Kristy? (Jereo ny Isaia 22:20–25.)

  • Inona no hataon’i Kristy ho antsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty? (Jereo ny Isaia 25:8.)

  • Ahoana no fomba ampianaran’i Kristy ny olony? (Jereo ny Isaia 28:10.)

  • Ahoana no fomba amaritan’i Isaia ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany? (Jereo ny Isaia 29:14.)

  • Ho toy ny ahoana rehefa ho avy indray i Kristy? (Jereo ny Isaia 35:10.)

“Namerimberina niresaka momba ny fitaomana manasitrana sy mampitonin’ny Tompo i Isaia. … Manasitrana, manatsara, mankahery ary manome fanantenana vaovao ho an’ny fo izay kivy ny Fanahiny. Manana hery hanovana izay rehetra ratsy sy loza be ary tsy misy lanjany eo amin’ny fiainana izany mba ho lasa zavatra manana famirapiratana faratampony sy feno voninahitra. Manana hery hamadihana ny tsy fahombiazana teto amin’ny fiainana an-tany ho hatsarana any amin’’ny fiainana mandrakizay Izy.” (Tad R. Callister, The Infinite Atonement (Ilay Sorompanavotana mandrakizay) [2000], 206–7).

Hamoaka printy