2022
Inona no azontsika atao mba “[hanongilanantsika] ny sofin[tsika] amin’ny fahendrena”?
Septambra 2022


“Inona no azontsika atao mba- [hanongilanantsika] ny sofin[tsika] amin’ny fahendrena-?,” Liahona, sept. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Ohabolana 1–4; 15–16

Inona no azontsika atao mba “[hanongilanantsika] ny sofin[tsika] amin’ny fahendrena”?

Sary
zatovovavy lasa eritreritra

Noho ireo fampahalala diso be dia be eto amin’izao tontolo izao dia mety ho sarotra ny manivana izany rehetra izany sy mahita fahamarinana mandrakizay. Fantatry ny Ray any An-danitra izany ary fantany fa maro amin’ireo zanany no mikatsaka valim-panontaniana. Soa ihany fa maro amin’ireo valin’ireo fanontaniana sarotra indrindra eo amin’ny fiainana no hita ao amin’ny soratra masina, na ao anatin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Tsy hitarika antsika amin’ny lalan-diso na oviana na oviana ny Ray any An-danitra.

Atrikasa

Matetika isika no mamaky momba ny fahendrena ao amin’ny Ohabolana. Vakio tsirairay na miaraka amin’ny vondrona iray ny toko faha- 2 sy faha- 3 ary fantaro ireo andininy izay miresaka ny fomba fikatsahantsika fahendrena. Ohatra, ny Ohabolana 1:5 dia milaza hoe, “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara.”

Hamoaka printy