2021
Fiarahabana tonga soa
Mey 2021


“Fiarahabana tonga soa,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Fiarahabana Tonga soa

Sombin-dahatsoratra

Sary
Fanamboarana ny Temple Square

Ry rahalahy sy anabavy ary namako malala manerana an’izao tontolo izao, manolotra ny arahaba manokana aho, tonga soa amin’ity fihaonambe maneran-tany ity. …

Iny taon-dasa iny dia taona iray tena niavaka. Tsy isalasalana fa isika tsirairay dia samy nianatra zavatra izay tsy fantatsika teo aloha. Nisy lesona sasany efa fantatro taloha no lasa voasoratra ato am-poko amin’ny fomba vaovao sy mifono anatra.

Ohatra, fantatro tsara fa mitarika ny raharahan’ny Fiangonany ny Tompo. …

Ankehitriny koa lasa takatro kokoa izay tian’ny Tompo hambara tamin’Izy nilaza hoe “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73]. …

… Nandritra iny taon-dasa iny, maro taminareo no nampitombo be ny fandalinana filazantsara tany an-tranonareo. Misaotra anareo aho, ary hisaotra anareo ireo zanakareo. …

Anisan’ny fanangonana an’i Isiraely, ary ampahany tena manan-danja, ny asa ampanirahana antsika amin’ny maha vahoaka antsika dia ny ho mendrika sy hanam-piniavana mba hanampy hanomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Eo am-pihainoantsika ireo hafatra izay nomanin’ireo mpitarika antsika tsara teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, dia manasa anareo aho hivavaka mba hamantarana ireo fako izay tokony hesorintsika eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika ho lasa mendrika kokoa.

… Tonga soa eto amin’ny fihaonambe maneran-tany sy amin’ilay tombontsoa ahafahana mihaino ny feon’ny Tompo.

Hamoaka printy