2021
Toerana ao an-tranom-bahiny
Mey 2021


“Toerana ao an-tranom-bahiny,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Toerana ao an-tranom-bahiny

Sombin-dahatsoratra

Sary
Samaritana tsara fanahy

Amin’ity vaninandronin’ny Paska ity, i Jesoa Kristy dia manasa antsika ho lasa tahaka Azy, ho Samaritana tsara fanahy, hanao ny tranom-bahininy (ny Fiangonany) ho fialofana amin’ireo ratra sy tafiotry ny fiainana. …

Rehefa mankao amin’ilay Tranom-bahiny miaraka amin’ilay Samaritana tsara fanahy isika dia mianatra zavatra dimy momba an’i Jesoa Kristy sy ny tenantsika.

Voalohany, dia miditra ao amin’ilay Tranom-bahiny tahaka antsika izao isika, miaraka amin’ny kilema kely sy ny tsy fahalavorariana eo amintsika tsirairay avy. Na izany aza dia samy manana zavatra tena ilaina ny tsirairay ho entina ho anjara biriky. Matetika rehefa miaraka aman’olona isika no mahita ny lalantsika mankany amin’ Andriamanitra. …

Faharoa, ampandraiketiny amintsika ny hanao ilay Tranom-bahininy ho toeram-pahasoavana sy toerana malalaka, ahafahan’ny rehetra miangona, misy toerana ho an’ny rehetra. Amin’ ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mitovy lenta avokoa isika rehetra, tsy misy izany hoe ao anatina ambaratonga ambany izany. …

Fahatelo, ao amin’ny Tranom-bahininy dia mianatra isika fa ny fanaperana dia ao amin’i Jesoa Kristy, fa tsy ao amin’ny fanaperana araka izao tontolo izao. … Manasa antsika tsirairay avy Izy ho Samaritana tsara fanahy, tsy hitsaratsara, hifamela kokoa ary ho be famindrampo kokoa amin’ny tenantsika. …

Fahaefatra, … mitondra antsika ho ao amin’ny Tranom-bahininy ary koa ao amin’ny tranony Izy, dia ny tempoly masina … izay… toerana ahafahan’ilay Samaritana tsara fanahy … manadio sy mampiakanjo antsika, manomana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, ary mampihaona antsika mandrakizay amin’ny fianakavian’ Andriamanitra. …

Ary farany, fahadimy, mifaly isika fa tia ny zanany ao amin’ny toe-javatra sy fiaviana isan-karazany misy antsika Andriamanitra, ao amin’ny firenena, mponina ary samy hafa fiteny rehetra, ka misy toerana ho an’ny rehetra ao amin’ny Tranom-bahininy. …

Mampanantena ilay Samaritanantsika tsara fanahy fa hiverina. Fahagagana no mitranga rehefa mifampitsinjo tahaka ny ho nataony isika.

Hamoaka printy