2021
Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Mey 2021


“Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana

Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lalana

Inona no atao hoe lalan’ny fanekempihavanana? Ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izany. Miditra eo amin’ilay lalana isika rehefa atao batisa. …

Mety hisy hilaza hoe, “Afaka manao safidy tsara aho na natao batisa na tsia; tsy mila fanekempihavanana aho vao ho olona mendri-kaja sy mahomby.” … Inona ary izany no mampiavaka ny lalan’ny fanekempihavanana?

Raha ny marina dia tena zava-dehibe manokana sy mandrakizay ny mampiavaka azy. …

Voalohany dia ny toetoetran’ny fankatoavantsika an’ Andriamanitra. Mihoatra noho ny hoe manana faniriana tsara fotsiny, isika dia manolo-tena amin’ny fomba lehibe ny hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra. Amin’izany isika dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. …

Lafiny iray faharoa mampiavaka ny lalan’ny fanekempihavanana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Ny fanekempihavanana atolotr’ Andriamanitra ny zanany dia mahavita mihoatra ny hoe mitarika antsika fotsiny. Mamatotra antsika Aminy izany. …

Izany dia mitarika antsika amin’ilay fitahiana manokana fahatelo entin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Manome fanomezana saika tsy hay takarina mba hanampiana ny mpanao fanekempihavanana ho mpitandrina fanekempihavanana Andriamanitra: dia ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. …

Fahefatra, ireo izay manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana dia mahita fitahiana miavaka ihany koa ao amin’ireo fanangonana samihafa voatendrin’ Andriamanitra [toy ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly]. …

Farany dia amin’ny alalan’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ihany no ahafahantsika mandova ireo fitahian’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia ny fitahiana faratampon’ny famonjena sy fisandratana, izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy. …

Ndeha isika tsirairay sy isika miaraka hihaino ny antson’ny mpaminany mba hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Hamoaka printy